Nohamarinin’ny praiminisitra tamin’ny alalan’ny filazany fa tsy nampiditra ariary tanaty kitapom-bolam-panjakana ny volamena teto,
hoy ny mpandraharaha amin’ny resaka harena an-kibon’ny tany sady loholona teo aloha, Joseph Yoland, ny teninay hoe angalarina daholo ny harena an-kibon’ny tany eto. Tokony ovana, noho izany, hoy izy, ny lalana mikasika io zavatra io. Ny fanorenana ifotony nolazainay dia fanovana ny lalàna rehetra eto Madagasikara satria ny lalana eto dia didian’ny vazaha. Izay mety amin’ny vazaha no hampiharina eto. Na lalampanorenana, na fehezan-dalana, na didim-pitondrana sy ny rehetra dia mila ovana hifanaraka amin’ny tombontsoam-pirenena sy vahoaka Malagasy fa tsy amin’ny itiavan’ny mpanam-bola na mpamatsy vola na vazaha tonga eto. Raha ny tokony ho izy dia apetraka amin’ny banky foibe ny volamena mba hanome lanja ny vola Malagasy. Mila atao azo antoka tsara fa ampidi-bola anaty kitapom-panjakana ny vola miditra amin’ny fanondranana volamena satria hatreto dia ireo mpandraharaha mpanondrana no mahazo tombony aminy fa tsy ny kitapom-bolam-panjakana, araka iny fanamarihan’ny praiminisitra iny. Mila ovana ny lalana fa tsy voaova io, raha tsy izany. Avoaka ny lalàna hoe tsy azo atao ny manondrana volamena nefa ny mpitondra fanjakana manao trafika. Tsy mety izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.