Kandidà nisedra safidim-bahoaka, naneho hevitra tamin`ny famoahana voka-pifidianana voalohany ka nangingina taorian`izay, i Jose Andrianoelison na Josè Kely.
« Misy fotoana hitenenana sy hanginana ary manana filoha vaovao isika izao”, hoy izy. Manoloana ny resaka solika dia nilaza ny tenany fa tsy ady no ilaina amin`ireo mpandraharaha fa ny fitenenana amin`ny Malagasy ny hoe: “ny politikantsika ve dia vidiny tokana eto Madagasikara ?” Nambara tokoa fa malalaka ny vidin-tsolika kanefa tokana. “Ity politikantsika ity ve hampiditra olona hifaninana amin`ireo sa hifampiraharaha amin`ireo sa hanangana SOLIMA vaovao araka ny ambaran`ny sasany sa kosa ilay fampiraharahana amin`ny banky iraisampirenena izay efa an-dalana amin`izao fotoana izao notohizana ?”, hoy izy Nilaza mazava tsara ny filohan`ny banky iraisam-pirenena fa miandry ny politikantsika izy ary vonona hiara-kiasa raha manana izany politika izany.Manana trosa miavosa ny JIRAMA sy ny fanjakana amin`ireo mpandraharaha ireo. Na dia nilaza ny filoha Rajoelina fa halatra no nahatonga ny trosa dia nomarihan`i Josè Andrianoelison fa rehefa manana trosa, tsy maintsy mamerina. Na oviana na oviana dia tsy maintsy hifampiraharaha amin`ireo mpandraharaha ireo amin`ny trosa ka mino aho fa vonona ny banky iraisampirenena. Io resaka solika io dia tsy vitan`ny ady fa mila olona hentitra eo amin’ny fitondram-panjakana, JIRAMA, mpanjifa, mpamatsy vola… Amin`ny volana jona no tokony hiakatra ny vidin-tsolika, hoy ny ofisim-pirenena momba ny akoran`afo kanefa tamin`ny volana martsa no tokony ho nisy “structure de prix”. Araka izany, tsy maintsy miafy ny vahoaka Malagasy satria misy trosa be miavosa, hany ka tsy alaina amin`ireo mpandraharaha ireo ny vola tokony haloany any amin`ny FER (Fonds d`entretien routier) ka ho simba indray ny lalana eto Madagasikara. Raha ny zava-misy ankehitriny, hoy ihany ity mpanao politika ity, fitohizan`ny asa nisy no ataon`ny fitondrana ankehitriny. Momba ny fiaraha-miasa amin`ny banky iraisampirenena, dia efa nisy ny dingana voalohany, toy ny CASEF (fizarana kara-tany), ny PAGOS, ilay fitsirihana (audit) nataon`ny filoham-pirenena, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.