Feno mangana ny vatany, mivonto be ny tarehy, misy voadona ny taolan-tratra, ahiana hisy tapaka ny taolantehezany.
Ampahany amin’ny zava-nahazo ny jeneraly Raoelina sy ny kolonely Coutiti ireo taorian’ny fisamborana azy ireo teny Ivato ny sabotsy 20 novambra 2010. Araka ny fantatra aza dia tsy afa-niteny mihitsy izy roalahy ireto tonga teny amin’ny fonjan’i Tsiafahy. Fantatra ihany koa fa torantorana foana ny jeneraly Raoelina. Taorian’ny fisamborana azy ireo dia nanao izay danin’ny kibony mihitsy ireo miaramila sy zandary nisambotra tamin’ny fikasihan-tanana azy ireo. Ny aina sisa no tsy nanaraka satria nalaky tonga teny Tsiafahy ny fiara 4x4 nitondra azy ireo. Raha lavidavitra ny lalana dia mety maty teny an-dalana ireto manamboninahitra roa ireto. Ho an’ny jly Raoelina manokana dia ny taolan-tratrany no itarainany mafy ho marary azy. Ny tarehiny rapa tanteraka. Mangamangana avokoa ny vatany rehetra.
Ho an’ny kolonely Coutiti indray dia ny feny, ny tarehiny rapa noho ny daroka vodi-basy ary ny tenany iray manontolo feno mangana no tsikaritra teny aminy. Samy tsy afa-niteny moa izy roalahy ireto rehefa tonga teny amin’ny fonjan’i Tsiafahy, ny sabotsy alina. Nametraka fitarainana teo anatrehan’ny sehatra iraisam-pirenena ny fianakavian’izy ireo ka omaly ihany dia efa tonga manara-maso ny fahasalaman’izy ireo any am-ponja ny avy amin’ny vokovokomena iraisam-pirenena. Nihazakazaka ny fielin’ny feo omaly fa maty any am-ponja, hono, ireto manamboninahitra ireto. Nandiso izany vaovao izany ary nitondra fanazavana tao amin’ny radio nasionaly Malagasy ny Tale jeneralin’ny fandraharahana ny Fonja, ny jeneraly Andriamaroahiana omaly hariva, nilaza fa efa mihatsara ny toe-pahasalaman’ny jeneraly Raoelina sy ny kolonely Coutiti Assolant miohatra ny tamin’ny sabotsy nahatongavan’izy ireo tao amin’ny fonjaben’i Tsiafahy. Nambarany ihany fa efa afaka mitsangana sy mamindra ny jeneraly Raoelina ary efa afaka miteny ny kolonely Coutiti ary arahi-maso ao amin’ny Infirmerie ao Tsiafahy izy ireo amin’izao fotoana izao.
Manoloana izany dia mipetraka ny fanontaniana hoe : f’angaha moa tsy hoe nitolo-batana indray ireto manamboninahitra ireto no niharan’ny vonomoka toy izany ? Ny Praiministra Camille Vital rahateo, raha nanao fanambarana ny alin’iny sabotsy 20 novambra iny, dia nidera ny jeneraly Ndriarijaona André, lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika Malagasy, ary niarahaba tena sy ny vahoaka Malagasy fa tsy nisy ra latsaka tamin’iny raharaha BANI Ivato iny, koa maninona no misy maratra mafy ary mbola ahiana ny fahasalaman’ireo manamboninahitra ireo ? Miharihary amin’izao ny habibiana ataon’ny hery famoretan’ny FAT, izay efa nokianin’ny sehatra iraisam-pirenena ary nosokajiany ho Milisy moa nandritra ny EPU (Examen Prériodique Universel) natao tany Soisa ny volana febroary 2010 lasa iny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.