Tontosa ny faran’ny herinandro teo tao amin’ny Planète M Alasora ny lanonana fisaorana sy fankasitrahana ny mpikatroka TIM sy ny vahoaka nampandany ny ben’ny tanàna Jimmy Randriantsoa teny amin’ny Kaominina Alasora.
Tafiditra ao anatin’ny fanomezana aina vao na “ Rédynamisation” ny TIM io, izay notronin’ny tompon’andraikitry ny seraseran’ny Antoko dia ny depiote Fidèle Razapiera, ary teo ihany koa ny depiote Gerry Andriambolaina izay mpiahy ny faritra Avaradrano misy ny kaominina Alasora rahateo. Nanamafy hatrany ireo fanamby 10 natao tamin'ny vahoaka ny ben’ny tanàna Jimmy Randriantsoa, toy ny famerenana amin’ny laoniny ny fandriampahalemana, ny toho-drano hampiakarana ny lentan’ny fambolena sy ny fiompiana; ny fampidirana rano fisotro madio sy ny fifehezana ny lafin’ny fahadiovana sy ny fidiovana; ny fanomezan-danja ny tanora sy ny fanatanjahantena ary ny fialam-boly; ny fanatsarana ny fampianarana amin’ny alalan’ny famatsiana “cantine scolaire” ireo sekoly mbola tsy manana izany, ny famahana ny olan’ny fitaterana sy ny lalana,… Nangataka fiaraha-miasa hatrany amin’ny rehetra ny ben’ny tanàna satria asa vadi-drano ny fampandrosoana ka tsy ho vita raha tsy ifanakonana. Tsy hanavahana loko politika ny fampandrosoana satria tanàna iaraha-manana Alasora. “Hiasa isika, tena hiasa hahatonga an'Alasora ho tanàna iombonana maha te honina”, hoy i Jimmy Randriantsoa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.