Ao anatin’ny tolona iaraha-manana ankehitriny ny Jeune TIM Analamanga, hoy ny filohan’ity tanoran’ny
Antoko politika Tiako I Madagasikara ity, Hery Razanadrakoto. Tsy miala fa manatanteraka ny fandaminana omen’ny filoha mpanorina ny antoko sy ny birao politika. Misy ireo namana nosamborina nandritry ny hetsika Miara-manonja tokony nanaovana ny tatitr’ireo depiote. Tranga mampalahelo satria tsy nigafy na nanimba zavatra na nanao fihetsika mamoafady ireo olona ireo nefa dia nosamborina sy nogadraina. Melohinay izany ary angatahanay amin’ny fitondram-panjakana ny hamoahana azy ireo tsy misy hatak’andro satria tsy nisy heloka nataony. Manomana ny hetsika sy tatitra ho ataon’reo depiote ny 6 martsa izao indray ankehitriny izahay, hoy hatrany ny Jeune TIM Analamanga, ka manentana ny tanora rehetra ho avy fa ilain’ny firenena io.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.