Politique

Jeneraly Richard Ravalomanana Takian’ireo depiote ny fanesorana azy


  • Zoma 29 Mey 2020

Nanao tatitra mahakasika ny asany nanoloana ireo solombavambahoaka ireo Tompon’andraikitra ambony ao amin’ny governemanta miantsoroka ny fandriampahalemana omaly.

 Noresahina ireo toe-javatra mahasaringotra solombavambahoaka. Depiote 2 no nanaovana fisavana trano. Fahatrarana ambodiomby no anton’ny fisavana, hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria na ny SEG Jeneraly Ravalomanana. Tsy nahatrarana na inona na inona ireo solombavambahoaka ireo, hoy kosa ny depiote. Tratra ambodiomby no mitombina, ka raha tsy honohono dia tsy mety. Tsy azo atao ny manao fanenjehana azy raha tsy tratra ambodiomby. Tsy midika hoe dia tena madio fa olombelona toy ny rehetra. Ny filazana fa dahalo nareo depiote tsy misy porofo dia tsy mety, ka tsy azo ekena, hoy ny Filohan’ny Kaomisioonin’njy fanenjehana. Hajao fotsiny ny lalàmpanorenana, izay mamaritra fa misy ny alalana amin’ny birao maharitra amin’ny fanenjehana na fisamborana, fisavana trano, indrindra amin’ny fotoana fivoriana ara-potoana tahaka izao. Olon-dratsy ny solombavambahoaka matoa matahotra hosamborina, hoy ny Jeneraly Ravalomanana Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria. Raha misy depiote izany mamono olona, izay misy izany, ary misy depiote miray tsikombakomba amin’ny olon-dratsy ka havela amin’izao ve? Mamoaha ianareo lalàna raha havela amin’izao, hoy ny valy bontana avy amin’ny SEG. Noraisin’ny solombavambahoaka ho tsy fanajana ireo depiote no nataon’io tompon’andraikitra ambony io. Taorian' izany dia nangataka ny hanesorana amin` ny toerany an' ny Jeneraly Richard Ravalomanana, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena tamin' ny fandraisam-pitenenan' ireo filohany avy ireo vondrona parlemantera telo amin` ity antenimiera ity dia ny IRD, ny TIM ary ny GPR. Efa nalefa any amin` ny Filoha Rajoelina sy any amin` ny praiministra Ntsay moa ny fangatahan' ireto solombavambahoaka ireto araka ny fantatra.

Toky R sy Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT