Politique

Jeneraly Richard Ravalomanana “Ny jiolahy sy ny mpiaraka aminy ihany no tsy tia zandary”


  • Talata 17 Aogositra 2021

Nandritry ny famindram-pahefana teo aminy sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena vaovao handimby azy, ny jeneraly Gellé Richard

, no nanambaran’ny jeneraly Richard Ravalomanana tetsy amin’ny biraon’ny SEG etsy Betongolo fa misaotra ny filoham-pirenena izy tamin’ny nametrahan’ity farany fitokisana taminy na teo aza ny fanaratsiana samihafa. Maro koa ny fanenjehana ny zandarimariam-pirenena toy ny filazana hoe foano ny zandarimariam-pirenena, hoy izy. Misaotra ny filoham-pirenena aho fa hitany hoe hitokisan’ity firenena ity ny zandarimaria ary noporofoiny izany tamin’ny alakamasy teo raha nankeny amin’ny tobinay teny Ivato izy. Sambany angamba no nisy filoham-pirenena nankeny. Nanome mari-pankasitrahana ny zandary izy. Teo ny fanomezana medaly sy fanondrotana galona mihitsy. Izaho koa ity nomeny “dignité de grand croix de deuxième classe”. Mariky ny fitokisana ny zandarimariam-pirenena izany ary izy dia niteny mihitsy fa matoky ny zandarimariam-pirenena. Ny jiolahy sy ny mpiaraka aminy ihany no tsy tia ity zandarimariam-pirenena ity. Mahenika ity Madagasikara ity ny zandarimariam-pirenena ary sahy mandray andraikitra amin’ny fampiharana ny tany tan-dalana. Ity zandarimariam-pirenena ity no nahasahy voalohany nanakana fikomiana miaramila. Maro indrindra ny nandraisana andraikitra tato ary ny mampalahelo dia tato amin’ny zandarimariam-pirenena no nisy nodimandry isan-taona noho ny fifandonana tamin’ny dahalo be indrindra amin’ireo departemantana minisitera. Milaza izany fa ilaina ity zandarimariam-pirenena ity, hoy hatrany ny tenany. Nanafatra ny mpandimby azy moa ny tenany mba tsy handairan’ireo mety ho fampitahorana hanangona sonia hanalana azy fa mba hanaraka ihany kosa ny toromariky ny filohan’ny repoblika sy ny praiminisitra.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT