Politique

Jeneraly Razafindrakoto Bruno Halefa «attaché militaire» any Frantsa ?


  • Alakamisy 13 Janoary 2011

Mandeha ny resaka ankehitriny fa hatao «attaché militaire»-n’ny ambasady malagasy any Frantsa ny jeneraly Razafindrakoto Bruno, izay komandin’ny zandarimariam-pirenena amin’izao fotoana izao.

Araka ny loharanom-baovao dia efa nolazaina azy io fanendrena voavao io. Araka ny tsiliantsofina anefa dia tsy mazoto loatra hitana ity toerany vaovao ity io jeneraly io. Mety aminy kokoa araka ny fantatra ny toerany amin’izao fotoana izao ka tsy dia marisika loatra ny handao izany izy. Ny jeneraly Ravalomanana Richard no fantatra fa mety hisolo azy amin’izany toerana izany ary ny jeneraly Manakay Augustin izay lefitra voalohan’ny komandy amin’izao fotoana izao no hatao Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena. Andrasana, araka izany, izay ho fanatontosana ireto fanendrena vaovao ireto, indrindra ny an’ny jeneraly Razafindrakoto Bruno ity satria raha tsiahivina dia ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina no nomena io toerana io tamin’ny fotoan’androny saingy tsy tontosa. Lasa any am-ponja ihany moa ny tenany ankehitriny.

Rakoto Maxime
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT