Politique

Jeneraly Ravalomanana “Zandary 11 voatonontonona amin’ilay famonoana Filoha”


  • Alarobia 28 Jolay 2021

Zandary miisa 11 no hanaovana fanadihadiana amin’ilay raharaha momba ny famonoana ny Filoha, araka ny fanambarana nataon’ny Sekreteram-panjakana miadidy

 ny zandarimariam-pirenena (SEG) Jeneraly Ravalomanana Richard omaly. Efa namoahana fahazoan-dàlana hanaovana fanenjehena na “autorisation de poursuite judiciaire” ireo. Tafiditra ao anatin’izany ireo 4 mpikambana ao anatin’ny GSIS (Groupe de Sécurité et d’Interventions Spéciales). “Ny zandary GSIS izay nifandray tendro dia misy, ary tsy misy antony hanafenana izany, hoy io jeneraly. Aleo ny fanadihadiana handeha, ary tsy hoe rehefa hadihadiana dia meloka”, hoy izy. Misy mpitandro filaminana, misy mpanao politika, misy mpandraharaha,… mety hantsoina, fa ny fanadihadiana no hamaritra azy na meloka na tsia. Izay rehetra voakasikasika no tafiditra satria misy zavatra iaingana: mail, finday, vondrona whatsap, telegrama,,… Azo daholo ny resaka nifanaovana sy ny zavatra saika hatao, ka mbola misy hiteny ve hoe sinema io. Tsy azo hamaritana an’ireo hoe: “élite” na sangany ny fianarana tany amin’ny Saint-Cyr, ary mitovy amin’ny akademia ao Antsirabe io, hoy izy manoloana ny fisian’ireo zandary Frantsay misotro ronono voasaringotra dia I Paul Rafanoharana sy Philippe François. Kapiteny I Paul Rafanoharana dia voaroaka tao amin’ny zandary Frantsay, ny iray kolonely no nisotro ronono. Tsy dia marina ny fitenenana hoe “élite” ireo nivoaka tao amin’ny Saint-Chyr kanefa vao gradina kapiteny sy kolonely dia niala, hoy ny jeneraly Ravalomanana. Niely moa ny fisiana jeneralin’ny tafika iray voarohirohy, 1 jeneraly ao amin’ny zandarimaria, 1 hafa olona ambony ao amin'ny tafika mpikirakira fitaovam-piadiana, 1 tsy voatonona ny andraikiny. Efa notaterintsika teto afak’omaly rahateo, fa misy jeneraly roa efa misotro ronono voarohirohy, ka ny iray Praiminisitra teo aloha. Fomba firesaka matetika ny fisiana zandary voasazy sy migadra noho ny tsy fanarahana fitsipika. Etsy andaniny anefa, io mivoaka io ny resaka fa misy zandary voatonontonona. Efa ho an-jatony ny « zandary jiolahy » nogadraina, saingy misy izany ny nikonona hamono Filoha mihitsy, ary tsy voafehin’ny lehibe izany ny zandary, raha mitombina tokoa io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT