Politique

Jeneraly Ravalomanana Nampanginina sa nangina ?


  • Alarobia 12 Janoary 2011

Tsikaritry ny maro mpanara-baovao amin’izao fotoana izao fa tsy hita an-gazety na miteny amin’ny haino aman-jery ny jeneraly Ravalomanana Richard tato ho ato. Nandritra ny fampisehoana teny Mahamasina nataon’ireo tarika vahiny nohafaran’ny filohan’ny FAT no nahitana azy farany, nipetraka teo anilan’i Andry Rajoelina.

Efa nahazo ny galona jeneraly ny tenany tamin’io fotoana io ary toa nampiseho ho hitan’ny maro fa manohana tsy misy fepetra ny filohan’ny FAT. Tao ho ao izay dia sesilany ny fanafihana mitam-basy ataon’ny jiolahy saingy tsy ahenoam-peo toy ny taloha intsony ity jeneraly ity mahakasika ireny. Fony mbola kolonely anefa ny tenany tonga hatreny Ampitatafika mihitsy nijery ny zava-nisy rehefa misy fanafihana mitam-basy teny ka nahavoa mpitandro ny filaminana iray. Na ny samy mpikirakira ny vaovao aza dia mifampanontany ny anton’izany. Nampanginina sa nangina ity jeneraly hany tokana avy amin’ny andiany faha-13, ity.

Misy ny loharanom-baovao milaza fa nisy tompon’andraikitra avy eny Ambohitsorohitra nanoro hevitra azy ny tokony hanginany amin’izay fa tsy dia be resaka loatra intsony. Misy ihany koa anefa ny mifanohitra amin’izay milaza fa taorian’ilay raharaha BANI dia nanomboka naka sisiny ny jeneraly Ravalomanana Richard. «Izaho tsy mba teny amin’ny BANI mihitsy na indray mandeha aza», hoy izy tamin’izay. Tsiliantsofina koa anefa no andrenesana fa mety ho Komandy ambonin’ny zandary hasolo ny jeneraly Razafindrakoto Bruno ity lehiben’ny zandary ato anatin’ny faritanin’Antananarivo ity. Ho hita eo daholo ny momba an’izany.

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT