Politique

Jeneraly Ravalomanana “Hosakananay ny hetsiky ny mpanohitra”


  • Alarobia 18 Novambra 2020

Fanakorontanana mialohan’ny fifidianana sy fambolena korontana no ambadiky

 

 

ny tatitra ataon’ny parlemantera mpanohitra, raha ny fanehoan-kevitry ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG), ny Jeneraly Ravalomanana Richard omaly. Sanatriavin’ny vava hoe 200 ny maty amin’ny mpifidy mba tsy haha « crédible » ny fifidianana, hoy izy. Solombavambahoaka avy amin’ny faritra hafa kanefa any amin’ny faritra hafa no manao tatitra. Any amin’ny nahalany anao no mila anao. Tsy tatitra fa zavatra hafa, ka ao anatin’ny fanakorontanana ireny, hoy ny SEG. Vonona handray andraikitra foana izahay hampihantra ny tany tan-dalàna, hoy izy. Nambarany fa azon’ireo parlemanta ny manao fangatahana amin’ny fihetsiketsehana, ary misy lalàna milaza an’izany. Tsy anjaranay izany fa anjaran’ny manam-pahefana sivily, hoy ny Jeneraly Ravalomanana. Inona izany no nandrarana ny tao Antsirabe izay nisy depiote voafidy tao? Rehefa ny manam-pahefana sivily no miteny hoe tsy mahazo manao ireo na mpomba na mpanohitra ny fitondrana, dia izay no hipetrahanay eto hoe mampihatra ny tany tan-dalàna fa tsisy resaka hoe halako i anona na i anona. Tokony mahay lalàna daholo ny olona rehetra ary mijery ny tombotsoan’ny daholobe, fa tsy ny tombotsoany manokana. Ny hipetrahanay eto dia ho an’ny tanindrazana, ary tsy hijery ny tombotsoan’ny vahoaka sy ny firenena, izay tsy hanananay Havana. Ny olona tato anatiny zanakay aza 136 no efa migadra satria tsy ny tombotsoam-bahoaka fa ny azy no nojereny, hoy ity jeneraly ity. Tsy hihambahamba ny zandarimariam-pirenena hanakana ny hetsiky ny mpanohitra, raha ny nambara tamin’ny fampivoriana ireo Tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimaria. Ny andininy faha-69 amin’ny lalampanorenana no mamaritra ny fanaovana tatitra. “Asaivo porofoin’ny mpanatanteraka raha nanakorontana izahay, ary raha misy an’izany manome alalana azy hisambotra izahay. Ny zandary naka sary tsirairay ny fiara teny amin’ny hotely nitoeranay tany Antsirabe. Inona atahoranareo anay? Rehefa ianareo no tsy mahatanteraka ny zavatra nampanantenainareo sy manao zavatra tsy mety, dia tsy maintsy hiteny izahay”, hoy ny depiote Fetra Razafitsimialona.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT