Politique

Jeneraly Raoelina Naverina eny Tsiafahy


  • Sabotsy 03 Novambra 2012

Ny sabotsy 26 oktobra lasa teo, tamin'ny 06 ora hariva no naverina mangingina eny amin'ny fonjaben'i Tsiafahy indray ny Jeneraly Raoelina Jean Heriniaina rehefa tao Antanimora nandritra ny iray volana sy tapany teo ho eo.

 Marihina fa taova maro ao amin'ny Jeneraly Raoelina no marary, araka ny loharanom-baovao akaiky ny fianakaviany. Anisan'izany ny fo, aty, voa. Mitaiza azy ihany koa ny tosidra ambony. Nisy ny taratasin'ireo mpitsabo izay nanambara mazava fa ao Antanimora no toerana mety ho amin'ny fanaraha-maso akaiky ny toe-pahasalamany. Tsy nisy nihaino sy niraharaha anefa izany ary noheverina ho toy ny tsy misy fa dia izao naverina eny Tsiafahy izao indray ny Jeneraly Raoelina. Tsy voahaja tanteraka, araka izany, ny zon'olombelona anatin'ity raharaha ity. Manahy ny maro, indrindra ny fianakaviany, sao hitovy amin'ny nahazo ny Kolonely Charles Andrianasoavina ihany koa ny toe-draharaha mahazo ny Jeneraly Raoelina ankehitriny. Araka ny filazan'ireo dokotera nizaha ny toe-pahasalaman'ny Jeneraly Raoelina dia tokony hiditra hopitaly mihitsy izy. Mistery tanteraka, araka izany, ny antony nanaovana izao famindrana an-tsokosoko izao indray.

 
Nangonin'i Lalasoa R.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT