Politique

Jeneraly Ramakavelo « Tokony hijoro ny foloalindahy »


  • Alatsinainy 01 Martsa 2021

Niverina nampianatra ny atao hoe « sommation » toy izay niteraka resabe tamin’ny taona 2009

 

 

 

 mihitsy ny sabotsy teo ny minisitry ny fiarovam-pirenena teo aloha, ny jeneraly Desire Ramakavelo, raha nivahiny tamina fahitalavitra iray. Efa vita mialoha anaty tetibolam-panjakana ny vatsim-pianarana ho an'ny mpianatry ny oniversite, hoy izy, ka nahoana no tsy voaloha fa misy korontana vao hoe aloha ? Olona ao anatin'ny fitondrana ihany no manao an'io. Mety mba hanakorontanana. Misy tanana misintotsintona io fa tsy mandeha ho azy amin'izao izany. Ny minisiteran’ny fampianarana ambony niteny hoe efa nalefa ny vola. Nankaiza izany ilay vola ? Aza adino fa hetsiky ny mpianatra no nahatonga ny 1972.Vao mihetsika ny mpianatra dia mihetsika koa ny ray amandreny, izay mety mpiasam-panjakana, na any amin’ny sehatra tsy miankina sy ny sisa. Izany hoe mety hiitatra ny olana dia ho lasa krizy. Nahoana no tsy miteny ny Mensupres? Misy baiko avy any ambony foana no mahatonga izany. Misy zavatra anefa mahagaga eto. tonga ny Covid 19 dia ny filoha sy ny minisitry ny atitany no miresaka matetika. Fa natao inona ny minisitry ny fahasalamana ? Latsaka anaty vovo Ataon'ny mpanohitra izay hahatafidiran'ny fanjakana ao anatin'ny vovony, hoy hatrany ny tenany. Fandrika io. Lazon'ady koa io hahatonga ny mpitandro filaminana hanaotao foana ka hidaroka sy hanao fihetsika tsy voahevitra. Latsaka anaty vovony avy eo ny mpitondra. Izy angaha maninona? Izy tsy mpitondra fanjakana fa ianao mpitondra no voafandrika sy taraiky ao. Tsy hijanona ny mpanohitra fa ataony foana io. tadidio fa miparitaka any ivelany ny vaovao sy ny sary ka lasa ny mpitondra no malaza ratsy, eny fa na dia hoe mety manao ny asany tokoa aza izy.Tsy ilay eritreritrao no inona fa ny mason'ny olona mijery hoe io fa mikorontana, io fa jadona, io fa miady. Maninona moa no tsy mijoro ny mpitandro filaminana hiaro ny vahoaka malagasy 25 tapitrisa ka hanery ny mpanao politika hifandamina hametrahana fandaminana? Efa nanao ny FFKM, ny fikambanana maro samihafa, ny avy any ivelany fa tsy nahavaha olana. Tsy aleo ve mijoro ny foloalindahy, zandary miaramila, polisy ka ho sahy hiteny hoe ny vahoaka tsy atao takalon'aina fa alamino!? Nahitana vokatra io tamin’ny 1991 nahatonga ny “convention du 31 octobre 1991”. Na ady be toa inona aza tsy maintsy miafara amin’ny fifampiresahana an-databatra boribory. Mila filaminana ny fampandrosoana firenena fa raha mihenjan-droa foana ny tady dia ho voa mafy ny Malagasy 25 tapitrisa fa io tsy misy hoe izao mpomba an'i ranona na ranona izany, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT