Ny 14 oktobra 1958 ny filazana tamin’i Fomba ofisialy, fa Madagasikara dia miala tsy ho zanantany Frantsay fa miditra ho Repoblika ao anaty Firaisam-be Frantsay.
Ny minisitera toy ny an’ny tetibola, ny fampianarana, ny Tale Kabinetran’ny Filoha, ny Mpanolontsaina ara-miaramila,… dia mbola ny Frantsay no nifehy azy, hoy ny Jeneraly Désiré Ramakavelo mpahay tantara, tamin’ny fandarahana tao amina fahitalavitra iray omaly. Aleoko lavitra ilay hoe Repoblika, toy izay ny fahaleovantena, hoy izy. Mbola fiaraha-mitantana tamin’ny Frantsay, ny vola aza mbola ny volany no nampiasaina. Maro ny tsy faly tamin’izany, ary nitaky ny fanafoanana ny Fifanarahana Frantsay-Malagasy nantsoina hoe “Dinam-panandevozana”. Raha resaka Repoblika dia mifamatomatra amin’izany ny lalàmpanorenana. 700 taona ny lalàmpanorenana ny any Suisse, 200 ny an’ny Frantsay, ny any Etazonia,… ny antsika isaky ny 10 taona eo, ka tsy lalàmpanorenana izany amiko, hoy izy. Fanjakana entim-bahoaka ny Repoblika, kanefa olon-tokana no tena mibaiko ny firenentsika. Ny fanaovana politika tena mila fiomanana, fahazarana, paiakady,… Ny olona tena niomana dia manana ny programan’asany, manana ny olony, fa tsy miovaova palitao,... Nanomboka ny Repoblika faharoa, efa tonga teo amin’ny toerana vao manangana antoko. Henjana ny fanjanahana, miroborobo eto amintsika ny sekoly amin’ny teny Frantsay, kanefa rehefa tonga any Frantsa, dia tsy ekeny ny diplaoma eto ka ny Mpitsabo nahavita fianarana ambony, dia ataony mpitsabo mpanampy, na miverina mianatra. Ny Anglisy na manjanaka aza dia efa omanina hahazaka tena, hahavita tena ny firenena, fa ny an’ny Frantsay, dia feheziny ampiharany ny politikan’ny Gallièni amin’ny zarazarao hanjakana. Aza mieritreritra mahaleo tena izany, raha mbola ny toekarena no fehezin’ny vahiny, hoy ity Mpahay tantara ity. Isika mihitsy no manao sakana sy tsy mahatoky tena hoe: tsy mahavita zavatra raha tsy ampian’olona. Tsy maintsy miainga avy any ifotony ny fandrosoana, ny lafiny fampianarana no tena tokony hanompanana azy, hoy ny Jeneraly Ramakavelo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.