Tsy niandry ela fa omaly ihany dia namaly bontana avy hatrany ny fanambaran’ny Amnesty International ny minisitry ny fiarovam-pirenena ny jeneraly Lucien Rakotoarimasy.
Zavatra tsy voaporofo tsara akory ireny, hoy ity manamboninahitra jeneraly ity, ary tsy tena nahita tsara akory ny zava-nitranga tany atsimo nandritra ny “Opération Tandroka” ny Amnesty International fa toa mionona fotsiny amin’izay ambaran’ny mpanao politika. Mbola nanamafy hatrany ny minisitra fa tsy nisy izany miaramila na zandary namono olona fahatany izany fa nandritra ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny dahalo no nahatonga ireo olona maty tany atsimo. Mitovy tanteraka tamin’ny efa nambaran’ireo tompon’andraikitry ny foloalindahy sy ny filaminana anatiny eto amintsika ny filazan’ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ka miaro hatramin’ny farany ireo andian-tafika izay nalefa tany atsimo.
Aminy dia tsy nisy fihoaram-pefy mihitsy na iray aza nandritra ny “Opération Tandroka” fa ara-dalàna sy araka ny tokony ho izy avokoa no nataon’ny miaramila tany. Tsinjo sahady avy amin’izany fanambaran’ny minisitra izany koa fa tsy hisy ny fanadihadiana manokana ho atao amin’ireo vata miaramila nirahana tany atsimo na ireo manamboninahitra nibaiko azy ireo, fa dia fiaroavan-tena, araka ny nambaran’ny kolonely Lylison izany no natao ka izay maty dia efa maty aloha.
Tsara homarihana fa tsy ny fikambanana Amnesty International irery ihany no milaza fa manana porofo mikasika ny fampijaliana sy famonoan’olona ary fandikan-dalàna nataon’ny mpitandro filaminana tany atsimo, nandritra ny “Opération Tandroka”, fa ilay mpitendry gitara kalaza manerantany, D’Gary ihany koa dia manizingizina fa tena namono olona ny miaramila ary taminy aza dia tahaka ny hoe nisy Foko iray lasibatra tamin’izany, manginy fotsiny ny doro trano tamina Fokontany efa ho 7. Ny praiminisitra teo aloha Monja Roindefo ihany koa dia nanambara sy nanamafy ny fisian’io fanaovana vonomoka io, ary nanentana ireo fianakaviana lasibatra tamin’izany, hivondrona anaty fikambanana ka manao fanadihadiana hahazoana ny antontanisa marina mikasika iny raharaha tany atsimo iny, ary hitondra izany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
RTT
Hevitry ny Tia Tanindrazana
Samy milaza ny ho manana porofo na ny foloalindahy, na ireo nanakiana ny tsy nety nataon’ny foloalindahy tany atsimo. Izay indrindra no maha zava-dehibe ny hanaovana fanadihadiana momba ity raharaha Operation Tandroka ity ka vaomiera manokana mihitsy no hatsangana. Dia atao tahaka ireny nataon’ny Anglisy sy ny Amerikanina ireny, tamin’ireo miaramila nihoa-pefy ka nampijaly ireo babo an’ady tany Irak sy Afghanistan. Karohana ireo tena tompon’andraikitra mivantana namono olona, na nandoro trano dia tazonina am-ponja vonjimaika, alaina am-bavany, hanaovana fanadihadiana lalina. Raha voaporofo fa meloka izy dia tsaraina ary ampiharina aminy ny lalàna. Rehefa hita fa madio izy dia avotsotra. Fa ilay miaro tena be fahatany sy tsy manaiky solafaka, na mifampiaro amin’ny ratsy vita kosa aloha, dia tsy mendrika ny olona atao hoe tompon’andraikitra mihitsy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.