Politique

Jeneraly Ferdinand Razakarimanana “Manan-jo hahalala ny marina ny vahoaka”


  • Talata 11 Janoary 2011

Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao ny karazana ampamoaka natao sy mbola hoataon’ny lietnŕ-kolonely Charles Andrianasoavina momba ny zava-nitranga marina tamin’ny 2009, araka ny niainany azy.

Hiaraha-mahalala fa iray amin’ireo azo ambara fa andry fototra nahazoana ka nampijoro an’i Andry Rajoelina sy ny namany ity manam-boninahitra izay nalefan’ny FAT eny Tsiafahy ity amin’izao fotoana izao, taorian’ny raharaha BANI. Miseho lany etsy sy eroa ny fanehoan-kevitra momba ny ampamoaka nataon’ny lietna kolonely Charles. Ho an’ny jeneraly Razakarimanana Ferdinand dia tsotra ny resaka. “Zon’ny vahoaka ny mahalala ny marina, ary andraikitr’i Charles Andrianasoavina ny milaza ny marina”.

Ny fampahafantarana ny marina, hoy ihany ity jeneraly misotro ronono ity dia hanampy amin’ny fijerena ny disadisa eo anivon’ny foloalindahy. Nohitsiany moa ny fanaovana fitaovana na ny foloalindahy na ny fitsarana, tahaka izay misy amin’izao fotoana izao. Mila mandinika sy mamaha ny olana anatiny ny tafika Malagasy, hoy ihany Razakarimanana Ferdinand satria ny zava-misy dia tena voazimbazimba sy simba tanteraka ny foloalindahy ka mila harenina izany. Raha ny momba an’i Charles Andrianasoavina indray moa, araka ny tenin’ity farany tamin’ny mpanao gazety tetsy Anosy dia nilaza ny tenany fa mbola hanan-kambara bebe kokoa momba ny raharaha 2009. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT