Jeneraly Ferdinand Razakarimanana

> “Ireo manampahefana no manome ohatra ratsy”


  • Zoma 07 Martsa 2014

Iaraha-mahita fa miadana dia miadana ny fizotry ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny eto Madagasikara hatramin’ny nahavoafidy ny filohan’ny Repoblika.

Tsy nanamora ny fandraisany andraikitra rahateo ny fijoroan’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny fihetsik’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara. Mbola baraingo aloha hatreto ny fanendrena izay ho praiminisitra. Misokatra ny adihevitra. Etsy an-daniny dia tantara iray hafa mila vahaolana ihany koa ny tsy fandriampahalemana sy ady atao amin’ny fahantrana. Nisy ny resadresaka nifanaovanay tamin’ny jeneraly misotro ronono Razakarimanana Ferdinand.

Tia Tanindrazana (TT) : Efa mampiteny ny moana ity firongatry ny asan-jiolahy sy ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara ity, ny hevitrao ?
Jeneraly Razakarimanana Ferdinand (JRF) : Ohatra ny diso foana ny eritreritry ny olona. Amiko dia tsy mitombina ny filazana fa ny tsy fandriampahalemana no mahatonga ny fahantrana. Ny mifanohitra amin’izay no tena marina, izany hoe ny fahantrana no mitarika ny tsy fandriampahalemana. Antony goavana iray amin’io resaka io ny tsy fiheveran’ny mpitantana ny firenena hatramin’izay ny famoronana asa ho an’ny tsirairay. Antony iray hafa ihany koa ny fisian’ny manam-pahefana tsy voafehin’ny lalàna ka manao izay danin’ny kibony satria tsy voakasiky ny fitsarana mihitsy. Izy ireo no manome ohatra ratsy ho an’ny vahoaka fehezina izay mora maka tahaka. Ny mampalahelo amin’izy io dia ilay Gasy kely ihany no tsy maintsy miakatra fitsarana sy iharan’ny lalàna. Ny tsara ho fantatra anefa dia midadasika ny firenentsika ka tsy sarotra ny famoronana asa.

TT : Azonao hazavaina misimisy kokoa ve ny hevitrao ?
JFR : Ny fananana asa no manakana ny olona tsy hangalatra na handroba amin’ny alina satria reraky ny mikarama izy amin’ny antoandro. Any ambanivohitra, ohatra, raha omena ireo fitaovana sy ny fahaiza-manao amin’ny famokarana ny olona dia voakarakara foana ny tany amin’ny alalan’ny voly avotra rehefa tsy mamboly vary. Raha ny eto Antananarivo indray dia misy ny lalàna milaza fa ny trano rehetra eto an-drenivohitra dia tsy maintsy lokoina isaky ny telo taona nefa raha mijery sy mandinika isika dia tsy voahaja ny voalazan’ny lalàna. Io resaka fandokoana trano io fotsiny izao dia miteraka asa ho an’ireo tsy manana izany, indrindra ny tanora. Ampahany ihany io fa maro ny ohatra azo raisina toy ny fanadiovana ny arabe sy ny fanatsarana ny tanàna izay mila ny fandrindrana matotra avy amin’ny mpitondra fanjakana.

TT : Miteraka adihevitra ihany koa ny mikasika ireo manamboninahitra ambony marobe eto amin’ny firenena. Ianao rahateo Jeneraly na efa misotro ronono aza. Ny hevitrao momba izay ?
JFR : Isika ange nifidy solombavambahoaka e ! Manana adidy sy andraikitra goavana izy ireo mijery akaiky ny momba an’io toe-javatra io. Anjaran’izy ireo no manadihady sy mamantatra amin’ny antsipirihany ny antony marina fisian’ireo manamboninahitra ambony marobe ireo. Tokony ho fantatra mazava hoe firy marina no isan’ny miaramila Malagasy. Mahagaga tokoa mantsy fa rehefa nandinika ny tenako dia mahalasa saina ihany izany hoe mahatratra 40 ny «Général de Brigade» miampy ireo «Général de Division». Raha atao ohatra ny kajikajy tsotsotra hoe «Général de Brigade» iray mibaiko miaramila eo amin’ny 3.000 eo, izany hoe misy 120.000 izany ny miaramila Malagasy nefa raha ny fahafantarako azy dia tsy mahatratra izany ny isan’izy ireo eto amintsika.

TT : Farany, inona moa no tena maha samy hafa ny miaramila, ny zandary ary ny polisy ?
JFR :
Tamin’ny andro faha mpanjaka no efa nisy ny miaramila izay natokana hiaro ny fanjakana amin’ny fanafihan’ireo fahavalo. Izany hoe, nofanina manokana ny miaramila hisahana ny andraikitra fiarovana amin’ireo mety karazana fahavalom-pirenena. Izy ireo ihany no tokony hanana fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy sy ny grenady, ohatra. Raha ny momba ny zandary sy polisy indray dia eny anivon’ny Kaominina no lahasa sahanin’izy ireo ka raha ny tokony ho izy dia ny tompon’andraikitra eo anivon’ny tanàna no manome baiko azy ireo. Midika izany fa ny polisy monisipaly no mila aparitaka manerana ny Nosy toy ny zandary izay misahana ny fandriampahalemana ivelan’ny renivohitra. Amin’ny maha mpitandro filaminana ireo sokajy roa ireo dia tsy manana zo hitondra fitaovana mahery vaika izy ireo fa fitaovana hitandroana ny filaminana.

Nangonin-dRamano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT