Tato ho ato dia nitabataba tokoa ry zareo etsy Anosikely. Ady tombontsoa, hoy ny sasany, fahitana ny tsy maha izy intsony izao zava-misy izao, hoy ny hafa.
Samy manana ny fomba fijeriny ny tsirairay. Ny iraisan’ny rehetra dia velona ny korontana eo amin’ireo mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) izay milaza fa tsy hanaiky lembenana manoloana ny fomba fiasan’ny governemanta. “Tsy hiara-komana no nidiranay tao fa fiaraha-mitantana sy fanomanana ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana”, hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa. Ny zava-misy amin’izao fotoana izao, hoy izy dia ireo rehetra nametraka ireo mpanongam-panjakana eo amin’ny fitondrana no manohitra ny fitondrana amin’izao. Mandrahona ny hanova ny rafitra rehetra ireo ao amin’ny CST izay tena miady, araka ny fanazavana fa tsy mifampitsitsy fitenenana intsony. Olana goavana ho an’ireto parlemantera ireto ka miteraka fikatsoan’ny fampandehanan-draharaham-panjakana, hoy ihany ny filoha lefitry ny CST ny minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola, Hery Rajaoarimampianina. Nambara fa nisy didim-pitondrana nosoniavin’ny praiminisitry ny FAT teo aloha Camille Vital manome tombontsoa mihoapampana ho an’ireo CST. Nihena ho ampahatelony avokoa anefa izany ankehitriny ka dia izao nampimenomenona ny CST izao ary dia mety hiafara hatramin’ny fanesorana ny governemanta.
Nohamafisin’i Manandafy Rakotonirina moa fa dia mety hisy fanovana ny governemanta sy ireo mpikambana ao amin’ny CST sy CT. Hampiditra sata vaovao hidirana amin’ny tena demokrasia hanitsiana ny zavamisy no lalana, hoy ny filoha nasionalin’ny MFM. Eo anivon’ny CST avokoa ireo nanao Sonia ny sori-dalana. Izany hoe izy ireo dia tompon’andraikitra tamin’ny fametrahana ny filohan’ny tetezamita, ny filohan’ny CST, ny CT ary ny CENIT. Noho izany dia manana adidy mamaky bantsilana rehefa misy tsy mety, hoy i Hanitra Razafimanatsoa. Niantso ho amin’ny firaisankinan’ny CT ireo mpomba ny FAT teo aloha manoloana izany tsy fetezana rehetra izany.
Niantso ho amin’ny firaisankinan’ny CST koa ny ankolafy Ravalomanana amin’ny fampiharana tanteraka ny sori-dalana, indrindra ny andininy faha-20. Nanaiky daholo ireo mpikambana tao, araka ny fanazavan’ny filoha lefitry ny CST ihany izay nanambara fa tsy atokisan’Ambohitsorohitra intsony ingahy Dolin Rasolosoa ka izay no antony ikasana hanilihana azy. Rehefa hametra-pialana tokoa manko i Andry Rajoelina satria hirotsaka hofidiana dia anisan’ireo tokony handray ny fitantanana ny tetezamita ny filohan’ny CST. Momba ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana indray dia tsy hiteny daty intsony izahay, na dia efa mahafantapantatra aza, hoy ny Me Hanitra fa tsy manana kandida hafa ankoatra an’i Marc Ravalomanana ny ankolafiny. Fa raha misy kosa ny manao ratsy hanakanana ny fodiany dia mahafantatra ny tokony hatao aminy izahay, hoy ihany izy.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.