Politique

Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa “Mampitandrina ireo miketrika fanakorontanana”


  • Alakamisy 24 Desambra 2020

Nivory teny amin’ny Toby Ratsimandrava omaly 23 desambra ny EMMONAT (tafika, zandary, polisy)

 

 

 eo anatrehan’ny ambaran’izy ireo fa fikotrehana korontana ary eo ihany koa ny fandaminana mandritra ny fety. Nambara fa misy mananararaotra manakorontana mba tsy hivoahan’ny valim-pifidianana eto amintsika. “Eo am-piandrasana ny valim-pifidianana loholona isika. Araka ny efa fantatsika hatrany am-boalohany, dia misy ireo izay mikendry ny hanakorontana izany fifidianana izany. Vita soamantsara ary eo am-piandrasana ny valiny, kanefa mbola misy ihany te hanakorontana indray. Miteny an’ireny olona ireny hoe: aoka izay aza manandrana intsony, fa raha tsy izany dia handray fepetra mifanandrify amin’izany izahay”, hoy ny kaomandin’ny zandarimarimariam-pirenena Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa. Ny Depiote avy amin’ny mpanohitra milaza fa ho avy amin’izay hanao tatitra sy hihaona mivantana amin’ny vahoaka ve no tondroina ho mpanakorontana sa vondron’olona hafa mihitsy? Inona ary izany no tsy handraisana andraikitra hisamborana izay tondroina fa mpanakorontana? Sokajiana ho fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena sy filaminana rahateo izany raha tena mitombina tokoa, saingy toa zavatra iniana resahina fotsiny indraindray. Olona manao “facebook” tsy basy mipoaka, tsy rà latsaka,… aza ve hamoahana didy famonjana 44 volana mainka fa olona tondroina ho miketrika fanakorontanana ?

HANDRAISANA FEPETRA NY FIFAMOIVOIZANA

Rehefa tonga ny faran’ny taona, dia betsaka ny fivezivezena, mety hararaotin’ireo mpanao ratsy hanaovana fanafihana eny an-dàlana. Misy ny fepetra hisorohana izany. Ho an’ny fifamoivoizana dia hohamaroina ny olona eny an-dàlana. Hisy ihany koa ny fanomezana laharana finday amin’ny olana mety hiseho eny an-dàlana, toy ny mety ho fahamamoan’ny mpamily.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT