Fisorohana ny mety hisian’ny korontana no antony nametrahana Mpitandro
filaminana eny amin’ny trano fonenan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, raha ny nambaran’ny Kaomandinin’ny zandarimariam-pirenena Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa omaly. “Ny fivezivezen’ny mpitandro filaminana eto Antananarivo, dia ao anatin’ny asa fisorohana daholo. “Raha ny eny amin’ny tranon’ny Filoha indrindra ny Filoha teo aloha dia ao anatin’ny fitandroana filaminana sy fisorohana. Tsy hitako izay antony hilazana hoe hesory eo ireo. Mendrika arahi-maso ihany koa sao misy zavatra mitranga satria ho avy indray ny fanasoketana hoe iza no ao ambadika? Aleo asiana olona eny amin’izay mba voaaro kokoa ny fitandroana ny filaminana eny, ary misy minisitera rahateo eny”, hoy io Manamboninahitra io. Niova izany ny fomba fitandroana filaminana satria hatramin’izay tsy nisy tahaka izao ny teny Faravohitra, saingy noraisina io fepetra io rehefa niha nafana sy nangotraka ny toe-draharaha politika teto amin’ny firenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.