Politique

Jean Ravelonarivo Saika hivadika ho mpanohitra ?


  • Talata 03 Martsa 2020

Anisan’ireo tompon’andraiki-panjakana teo aloha nampanantsoina teny amin’ny birao misahana ny ady amin’ny kolikoly na PAC ny praiminisitra teo aloha,

filoha nasionalin’ny antoko politika Aba, Jean Ravelonarivo, ny faran’ny herinandro teo. Antony moa, raha ny vaovao voaray, dia mifandray amin’ny resaka fanodinkodinam-bola manodidina ny 16 miliara ariary teo anivon’ny orinasa Cnaps izay nahasaringotra ny tale jeneraliny teo aloha, Arizaka Rabekoto Raoul. Inona no antony mampimpongatra ilay dosie ankehitriny fa tsy teo aloha ? Ny tale jeneralin’ny Cnaps teo aloha moa izay vao lany filohan’ny federasionin’ny baolina kitra malagasy farany teo. Satria ve tsy kandidam-panjakana tao anatin’izay fifaninanana ho filohan’ny FMF izay dia henjehina ? Ny filoha nasionalin’ny antoko Aba moa izay nanao fanambarana tamin’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana ho filoham-pirenena fa hanohana ny filoha ankehitriny, Andry Rajoelina, saingy tsy nahazo toerana ary heno indray tamin’iny herinandro fa mikasa ny hijoro ho mpanohitra izao fitondrana izao ihany koa. Efa ela ihany koa no nikasany hakana ny fitondram-panjakana ary heverina ho antony nilatsahany hofidiana filoham-pirenena farany teo ka namaranany antenantenany ny taom-piasan’ny filoha nasionalin’ny antoko Aba, nodimbiasany toerana. Misy ve ankehitriny ny tsy fifanarahana eo amin’ny fitondrana sy ity praiminisitra teo aloha ity ka anton’izao fanenjehana azy izao ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT