Omaly no noraisin’ny filohan’ny filankevitra eoropeanina, Charles Michel, tao
amin’ny biraon’ny vondrona eoropeanina ao Bruxelles, ny ambasadaoro Malagasy miasa any an-toerana, Jean Omer Beriziky. Ity farany no voatendry hitarika ny delegasionin’ny repoblikan’I Madagasikara miasa eo anivon’ity vondrona iraisam-pirenena ity. Omaly, araka izany, no nanaterany ny taratasy fanendrena sy fanekena azy eo amin’izay andraikitry ny masoivoho misolontena antsika eo anivon’ity vondrona ity izay. Ho hita miandalana eo ihany raha hitondra fiantraikany ratsy na ho soa eo amin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta izao fanendrena izao. Tsara ny manamarika fa efa niasahana io andraikitra io ihany i Jean Omer Beriziky tany aloha.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.