Efa ela Rafanomezantsoa Jean Nirina, tale jeneralin’ny Mpitsabo Malagasy FITRAMA no niandrandra ny tokony hanoloana ireo ministra roa mpikambana ao anatin’ny governemanta Ntsay Christian.
Anisan’ny nangatahiny mba hosoloina tamin’izany ny Ministry ny Mponina Rtoa Irmah Lucien noho ity farany dia tsy hita sy tazana loatra amin’ny fikarakarana sy fandraisana an-tanana ireo vahoaka tena sahirana. Mompera Pedro tamin’izany fotoana no nangatahiny ho solon’ity farany. Anisan’ny nangatahiny hosoloina ihany koa ny profesora Ahmad Ahmad Ministry ny Fahasalamam-bahoaka teo aloha izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny ady hatao amin’ny coronavirus eto amin’ny firenena. Ny profesora Vololontiana Hanta Marie Danielle no nangatahiny hisolo toerana ity farany. Na dia tsy ireo olona nangatahiny ireo aza no nisolo toerana ireo ministra roa ireo dia nambarany fa faly ny tenany ary nisaotra ny filoha Andry Rajoelina tamin’izany fahasahiana nananany izany. Mikasika ny Mpitsabo Malagasy FITRAMA manokana moa dia fantatra fa hiditra ho mpikambana ao amin’ny ANTM izy ireo ary efa eo am-pikarakarana ny taratasy ara-panjakana rehetra mba ho toy ireo orinasa mandoa hetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.