Nivoaka tamin’ny fahanginana ny filoha nasionalin’ny fikambanana Hafari Malagasy manoloana ny fahasahiranana mianjady amin’ny mpiray tanindrazana amin’izao fotoanan’ny fihibohana izao,
indrindra amin’ny fiandrasana ireo fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana. Nambaran-dRafanomezantsoa Jean Nirina tamin’izany fa tena mana-piniavana ny filoha ary manam-paniriana hanao zavatra tsara sy betsaka ho an’ny vahoaka Malagasy. Ny mampalahelo anefa hoy izy dia misy amin’ireo mpiara-miasa aminy sasantsasany no tsy manana izay finiavana izay fa tia tena ka tsy mitsinjo afa-tsy ny havany sy ny namany ary ireo olom-pantany ihany. Vokatr’izay hoy hatrany ity filoha nasionalin’ny hafari Malagasy ity dia tsy misitraka izany fanampiana izany akory ireo olona tokony hisitraka izany. Mikasika ireo karazana tetikasan’ny filoha toy ny komitiy loharano, vatsy tsinjo, fihariana …. dia nomarihiny fa tena tsara tokoa saingy tsy ho vitan’ny filoha araka ny tokony ho izy izany ary tsy ho tafapaka any amin’ireo vahoaka tokony hisitraka izany ny tombontsoa raha tsy mijery akaiky ireo mpiara-miasa aminy ny filoha. Tokony hisy ny fanitsiana sy ny fanatsarana hatao hoy hatrany ity filohan’ny hafari Malagasy ity raha mila jerena akaiky ihany koa ireo mpanao politika mitady seza.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.