Politique

Jean Navandahy Ratiharison - Za gasy Nosamborin’ny zandary omaly


  • Alarobia 29 Mey 2019

Nanamafy ny zandary eo Ankadilalana fa nosamborina omaly talata maraina ny filoha nasionalin’ny fikambanana Zah Gasy, Jean Navandahy Ratiharison izay kandida depiote ao amin’ny boriborintany faharoa.

 

 

 

 Tsy marina ny vaovao tamin’ny tambazotran-tserasera fa natao sarika am-pandriana afak’omaly misasak’alina izy araka ny feo nandeha fa omaly maraina no nanamborana azy, hoy hatrany ny zandary. Noho ny tsiambaratelon’ny famotorana ara- pitsarana dia miandry ny fanomezan-dalana avy amin’ny fitsarana vao azo avoaka ny vaovao ka noho izany miandry ny fotoana mampety azy, hoy hatrany ny mpitandro filaminana.

 Araka ny fampitam-baovao voaray moa dia resaka fanalam-baraka kandida hafa sy fandratrana olona no antony nakan’ny zandary azy sy nitazomana azy eny amin’ny tobin’ny zandary eny Ankadilalana. Raha tsiahivina ny zava-nisy dia nahatratra olona miisa 5 nitondra kara-panondro sandoka ny tenany sy ny fokonolona tao an-toerana ary nanery ny iray tamin’izy ireo hibaboka. Efa voatazona amin’ny polisy kosa ireto olona 5 voalaza ireto, raha ny fampitam-baovao hatrany.

J. Mirija sy Hajanirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT