Politique

Jean Navandahy R – Za Gasy Manahy hanaovana antsojay indray


  • Alatsinainy 01 Febroary 2021

Efa tamin’ny taona 2016 no nanajariako ireo ampahan-tany ireo, hoy ny filohan’ny fikambanana Za gasy sahy mandroso,

 

 

 

 

 Jean Navandahy Ratiharison, nivoaka tamin’ny fahanginany nanoloana ny fikasan’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra handrodana ireo fotodrafitrasa natsangany etsy Andafiavaratra. Misy ampahany efa voarodan’ny CUA mihitsy aza moa, raha ny fanazavany, sy ireo fokonolona nanotrona azy teny an-toerana. Ny ben’ny tanana vaovao, ny taona 2019 no nandray fitondrana, hoy izy. Nandoa hetra ara-dalana sy mbola vonona ny handoa hetra hatramin’izao ny tenako. Mazava ny voarakitry ny drafitra na “plan” momba ny ampahan-tany na “parcelle” nangatahanay. Voamarin’ny vadintany fa ny taona 2017 no efa nijoro ireo trano ireo fa tsy ny taona 2019 naha teo amin’ny toerany ireo mpitantana ny CUA vaovao. Tsy nisy fanorenana nataonay teo noho izany ary tsy mitombona ilay hoe “arrêt de travaux”. Ny mahagaga dia izaho irery no nahazo fampiantsoana fa ireo manodidina hafa voakasik’ilay raharaha tsy nantsoina. Tranon’akoho aza esorinao mila “ordonnance”. Ity trano miorina lasi-tsimenitra ary ampiasaina fa tsy hoe apetra-potsiny. Ohatran’ny fikendrena olona manokana na “attaque personnelle” no fandraisako ilay zava-misy satria amin’ny anaran’ny Za gasy no niantsoana ny tena. Dia tonga hirodorodo any amin’ny kaominina ve avy eo ny Za gasy dia lasaina fa tsy manaja fepetra ara-pahasalamana? Ny taratasy fandravana voaray koa milaza fa trano hazo ilay harodana. Tsy manana trano hazo aho fa raha misy izany dia omeko alalana handrodana azy ny CUA. Tsy misy fampilazana mialoha. Raha toy izao izany no mahazo ny mba manana fahalalana kely amin’ny resaka lalana dia toy ny ahoana ny mahazo ireo sarambabem-bahoaka tsy mahalala izany any ambany ravikazo any, hoy hatrany izy ?

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT