Politique

Jean Louis Rakotoamboa-Teza “Efa noporofoin’i Sarkozy fa olon’ny F\rantsay i Rajoelina”


  • Zoma 04 Desambra 2020

Raha jerena ankapobeny izany ny tetibolam-panjakana ho ampiasaina dia

 

 

 

nampitomboina ny tetibolan’ny fiadidiana ny filoham-pirenena ary nahena ny an’ireo minisitera sasantsasany izay iankinan’ny fiainam-pirenena, hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Jean Louis Rakotoamboa. Aty amin’ny faraparany vao naiditra ho dinihin’ny parlemantera. Ny antoko Teza manokana dia tsy gaga satria tadidio fa tamin’ny taon-dasa koa nisy ilay natao tamin’ny alalan’ny hitsivolana avy amin’ny filoham-pirenena ny tetibolam-panjakana satria koa tsy lany. Mety amin’i Andry Rajoelina izany. Ao anatin’ilay izy dia be no lany eto amin’ny firenena nefa kely ny vola miditra dia voatery tsy maintsy misy foana fomba mahazatra mandeha hitantanana azy. Misy elanelana be ny ataon’ny filoham-pirenena sy ny enti-manana. Be ny tiana atao nefa tsy ampy ny enti-manana dia lasa kobaka am-bava ilay izy. Miami, Tanamasoandro, Flyover, sy ny hafa izao aiza daholo? Mikasika ny nosy manodidina izao efa vita tany amin’ny firenena mikambana ny taona 1979 ny adihevitra mifanaraka amin’ny lalana momba azy. Efa resy ny frantsay tamin’izany. Nanome baiko ny ONU hoe alefaso ny dingana hamerenana ireo amin’ny Malagasy. Io izany no tokony atao izao. Nilaza i Andry Rajoelina tany am-boalohany hoe na famerenana tanteraka na fiaraha-mitantana no atao. Niteny indray izy taorian’izay hoe famerenana tanteraka. Nandeha ny fanelezana ny hoe alohan’ny 26 jona isika manao fety mikasika izay famerenana izay. 14 oktobra avy eo. Tsy hita hatramin’izao. Ny tokony ataon’ny fitondrana izao dia mamerana manoratra any amin’ny frantsay ny fampatsiahivana io baikon’ny ONU io sy ny fomba hamerenana ireo nosy ireo. Rehefa tsy manaiky ny frantsay dia manoratra any amin’ny ONU, SADC, OUA hoe miziriziry ny Frantsay. Hiboridana eo imason’izao tontolo izao izy fa mbola manana lohana mpanjanaka dia amin’izay miara-manampy antsika izao tontolo izao. Tsy hanao izany anefa ny fitondrana satria efa noporofoin’i Sarkozy fa olon’ny Frantsay i Rajoelina. Io filoham-pirenena frantsay io no isan’ny tonga teto voalohany vao lany ho filoham-pirenena i Andry Rajoelina, hoy hatrany ny Teza.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT