Politique

Jean Louis Rakotoamboa “Maloto ny fitsipi-dalao momba ny demokrasia eto”


  • Alarobia 17 Novambra 2021

Isan’ny antso lehibe nataon’ny FFKM, hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Jean Louis Rakotoamboa, tamin’ny taona 2013 ny hoe jereo ny fomba rehetra tsy hiverenan’ny krizy intsony eto Madagasikara.

 Nahita izahay, hoy izy, rehefa nandinika lalina fa maloto ny fitsipi-dalao momba ny demokrasia eto amintsika. Manome vahana ny rafitra misy ahafahana ny eo amin’ny fitondrana manao ny danin’ny kibony na “verouillage”. Haingon-tsehatra fotsiny ny asa. Miantso ny FFKM izahay hitarika ny adihevitra rehetra hanitsiana izany. Izany no hatao dia mba hahafahana manorina ny repoblika sy fitondram-panjakana marina. Tsy ailika ny mpitondra fa mandray anjara miaraka ao daholo isika rehetra satria ny mpitondra isan’ny mahatonga izao zava-maloto eto amin’ny firenena izao. Vita izay dia mandeha milamina ny fitsapan-kevi-bahoaka sy ny fifidianana rehetra dia izay lany eo lolohavina an-tampon’ny loha dia milamina ny rehetra. Mety ho lavalava izay dingana izay nefa aleo hidirana mba tsy hisian’ny ra mandriaka, hoy hatrany I Jean Louis Rakotoamboa.
J. Mirija
Legende: Jean Louis Rakotoamboa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT