Politique

Jean Jacques Ratsietison “Toy ny nanaovana an’i Rinah R no hanaingana ny toekarena”


  • Alakamisy 01 Jolay 2021

Mazava ho azy fa mety misy hifandraisany amin’ny resaka nosy manodidina ny tsy famelan’ny frantsay ny entana avy eto Madagasikara hiditra any aminy,

 hoy ny filohan’ny antoko politika Fahefa-mividy izao no ilain’ny Malagasy, Jean Jacques Ratsietison. Inona moa nefa, hoy izy, no ho fiantraikan’izany amin’ny toekarentsika? Isika zara raha manondrana any ivelany. Olom-bitsy no mahazo tombony amin’izany fa ny maha maika aloha izao dia ny mamahana sakafo ny Malagasy satria ny sakafo no fanafody voalohany misoroka ny aretina rehetra. Isany ny Coronavirus fa tsy io fotsiny. Sakafo no tokony laharam-pahamehana fa tsy fotodrafitrasa be dia be. Hitsangatsangana eny amin’ny lalam-baovao dia ho voky rivotra ve ny olona? Sahiko ny miteny fa tsy tafiditra amin’ireny hopitaly manara-penitra ireny ny 95%n’ny Malagasy satria mila vola any. Raha ataony maimaipoana, zavatra hafa, fa tsy maimaipoana ny ao. Miaina amin’ny fitazanana ivelany na “par procuration” foana izany ny Malagasy. Marary dia jereo ny olona mitsabo tena ao amin’ny hopitaly manara-penitra dia sitrana! Raha tsy manam-bola hidirana hijery baolina ao amin’ny Kianja Barea dia mihaino ny mpisolo tena avy aty ivelan’ny kianja. Mioraka ny ao dia mba mioraka ianao na tsy fantatrao aza ny antony hiorahany. Fomba fiady ny an’ny frantsay. Raha tsy tratrantsika koa ny atao hoe “immunité collective”, tsy tokony hamaha sisintany. Aza ny Covid 19 no atao fialana hoe nampikatso antsika fa mbola tsy teo io dia efa nahantra isika. Tsy maintsy ny fanomezana fahefa-mividy ny Malagasy no ahafahana manainga ny toekarena eto. Toy ny nanaovana an’i Rinah Rakotomanga izay notendrena sy nalana tamin’ny didim-pitondrana no manao izany. Amin’ny alalan’ny didim-pitondrana na “décret” ihany koa, izay manafoana ny MID sy mametraka tahabola tsy miovaova, hoy hatrany ity filohan’ny FMI Malagasy ity.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT