Politique

Jean François Michel «Mila faranana izao fitondrana izao»


  • Alarobia 31 Oktobra 2012

Nivoaka tamin’ny fahanginany Atoa Jean François Michel, Ambalavato-Antsirabe, manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana.

 Nambarany tamin’izany fa efa tsy tafavoakan’ny FAT intsony ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana fa amboletra fotsiny sisa ny an’i Andry Rajoelina sy ny ekipany. Manoloana izany dia nambarany fa tokony hisy fandraisana andraikitra mazava manomboka izao hitondrana ny tolona ho fampodiana an’i Dada haingana satria izay ihany sisa no vahaolana. Aminy dia mila faranana izao fitondrana izao fa tsy izy intsony satria efa ny 80%-n’ny mponina eto Madagasikara no mahantra fadiranovana. Mila hamafisina ny tolona ary raha ilaina dia midina an-dalambe amin’izay ny vahoaka mitaky ny fialan’ireo mpitondra ireo. Nentaniny ny olona tsy hatahotra fa efa voaporofo fa Remenabila aza tsy azon’izy ireo mainka fa vahoaka an-tapitrisa eto Madagasikara mitaky ny rariny sy ny hitsiny amin’izao fahoriana lalina sy fampahantrana ataon’ny FAT azy izao. Mila mandray fanapahan-kevitra hentitra ihany koa ireo mpitarika fa tsy arirarira fotsiny ny vahoaka ka manjaka ny ekipan-Rajoelina manerana ny nosy sady manararaotra manao fampielezan-kevitra.

 
Caïus raharison
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT