Politique

Jean Eric Rakotoarisoa « Tsy mora ny mametraka fitsinjaram-pahefana »


  • Alakamisy 15 Oktobra 2020

Be no miteny fa ny lehiben’ny faritra sy ny faritra tokony hatao ny fifidianana. Ny faritra efa tamin’ny Repoblika fahatelo, ny mpitondra rehetra nifanesy teo tsy nisy nametraka,

 

 ka misy zavatra betsaka ohatr’io “Conseil Economique Sociale’’ io izay tsy mety tafapetraka, hoy Ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC Atoa Jean Eric Rakotoarisoa. Ny tsy fahampian’ny vondron’ny mpifidy sy ny fahatsapana fa tsy ara-dalàna ny didy fanaikana ny mpividy vaventy no nahatonga ny fitorian’ny loholona HVM. Nilaza I Jean Eric Rakotoarisoa, fa tsy hisy fiantraikany amin’ny fifdianana loholona ny fitoriana nataon’ireo loholona, izay havoaka tsy ho ela ny valiny. Nanomboka tany amin’ny Repobika fahatelo ny hoe Kaominina, Faritra, tsy nasiana Faritany intsony. Ny kaominina ihany no vitantsika hatramin’izao, ary ny lalàmpanorenana tsy mametraka fetra hoe tsy maintsy vitanareo hatramin’izao io, hoy hatrany Atoa Jean Eric Rakotoarisoa. Mamporisika an’izay afaka manao an’izay rehetra hoe apetraho amin’izay ny faritra, kanefa ilay izy ihany koa tsy mora. Sao heverinareo fa mora ny mametraka an’ilay hoe fitsinjaram-pahefana? Ny demokrasia dia làlana lavitr’ezaka ary vao miana-mandeha isika. Tsy anjaran’ny Filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna (HCDED), tsy ny HCC, tsy ny mpitondra,… ihany ny fametrahana izany. Raha tsy miaraka manatanteraka an’io, dia mbola ho sarotra. Tsy manampy ny fitondrana, tsy manampy ny mpanohitra, fa ny tombotsoa ambonin’ny firenena no jerena,… Misy tsy mieritreritra ny firenena fa rehefa voakitikitika ny tombotsoany dia tezitra izy, hoy ity Filohan’ny HCC ity.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT