Politique

Jean Eric Rakotoarisoa “Ny hilaminan’ny firenena no tanjonay”


  • Zoma 13 Novambra 2020

Tamin’ny Frantsay nametraka ny azy, tamin’ny Fitsarana tampony Amerikanina nametraka ny azy tahaka io ihany koa no niainan’izy ireo.

 

 

 

Mandra-pipetrak’ilay andrim-panjakana, ary izay no fanamby, izay no natao teto hoe tsy maintsy eken’ny rehetra ny didy eo. Izay tapahan’ny HCC dia iny no izy ampiharin’ny rehetra, ary ekena, hoy ny Filohan’ny HCC eo anatrehan’ny kihana mahazo azy ireo amin’ny fanapahan-kevitra raisiny. Resaka andrim-panjakana ilay izy, ary izay ilay hoe andrim-panjakana matanjaka fa tsy andrim-panjakana malemy. Ny lalàna no jerena, fa ny adidinay ihany koa dia miaro ny firenena. Tsy mora ny niainana ny zavatra hatrizay. Raha amin’ny maha olona dia efa tamin’ireny “déchéance” voalohany ireny no efa nanipy spaonjy hoe izahay tsy mahavita fa tena mandreraka be ity. Tsy maintsy jerena anefa ny firenena hoe ianao vao avy nivoaka krizy, dia hiditra krizy indray ve? Izay tsy hampikorontana ny firenena no tsy maintsy jerenay, hoy I Jean Eric Rakotoarisoa. Ny zava-misy, ny HCC dia mifototra amin’ny “juridico-politiques” satria ny fanapahan-kevitra raisina amin’ny lalàna, fa tsy maintsy miantraika any amin’ny politika. Na tiana na tsy tiana dia miantraika any amin’ny lafiny politika, hoy izy. Na ny mpanohitra na ny mpitondra dia manao tsikera daholo na inona na inona ataonao, fa izahay mahaleo tena, hoy I Jean Eric Rakotoarisoa. Tamin’ny fifidianana, tsy mbola nisy hatramin’izay kandida nahafeno delege. Ny firaketena an-tsoratra (PV) no manan-kery araka ny lalàna. Asio delege isaky ny biraom-pifidianana, fa tsy nisy na kandida iray aza naharakotra ny biraom-pifidianana tamin’ny fifidianana solombavambahoaka. Ny delegenao manao sonia hoe nety io, kanefa ianao indray no mitory avy eo, ka tsy tokony hatao resa-jaza, hoy hatrany ity Filohan’ny HCC.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT