Namoaka fanambarana mandiso ireo resabe momba azy mikasika ny fifidianana Filoham-pirenena tamin’ny 2018 ny Filohan'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC) teo aloha Atoa Jean-Eric Rakotoarisoa.
Tafiditra tao anatin’izany moa ny voalaza fa nisiana horonam-peo, niteraka fivoizana ara-politika tamin’ny endriny maro, toy ny hoe: nekena ho Filoham-pirenena ny Filoha ankehitriny hisorohana ny krizy sy sakoroka. "Taorian’ny fanambaràna izay mandiso tanteraka ny zavatra nolazaiko dia tiako ny mitondra ireto fanazavàna ireto : nisy ny resaka nifanaovako tamin’ny mpanao gazety izay niresahana momba ny fanapahan-kevitra noraisina taorian’ny toe-draharaha nitranga teto amin’ny firenena ny 21 aprily 2018. Ny voalazako tamin’izany horonam-peo izany anefa dia niniana notapahina sy navadika ho resaka mahakasika ny voka-pifidianana ho Filoham-pirenena natao tamin’ny taona 2018, hoy Atoa Jean-Eric Rakotoarisoa. Averiko ary hamafisiko hatrany, hoy izy, fa ny didim-pitsarana izay navoakan’ny HCC izay nifandraika tamin’ny famoahana ny voka-pifidianana tamin’ny fifidianana ho Filoha natao tamin’ny taona 2018 dia maneho marina ny safidin’ny maro an’isa ary nifanaraka tanteraka tamin’ny zava-nisy rehetra nandritra iny fotoam-pifidianana iny rehefa natao ny fandinihana sy ny fanaraha-maso araky ny voasoratra amin’ny lalàna velona. Niombon-kevitra tanteraka tamin’izany didim-pitsarana izany ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara fa indrindra ireo mpanara-maso ny fifidianana na ny avy eto an-toerana na ny avy any ivelany, niara-nanaiky ny fahatomombanan’ny fizotran’ny fifidianana sy niara-nankatoa ny vokatr’izany. Ary izay no nahafahan’ny firenena niroso am-pitoniana sy tsy niditra amin’ny krizy ara-politika vaovao. Nomarihiny ihany koa fa ny didim-pitsarana izay avoakan’ny HCC dia rasina araka ny lalàna, ny rariny sy ny hitsiny ary tsy azo ivalozana. “Aoka mba hatsahatra ny finiavana manova sy mandiso ny zava-boalaza toy itony izay miendrika fanelezana vaovao tsy marina na koa fanakorontanana eto amin’ny tany sy firenena. Tandremo ny tsaho fa mety hankahala ny tsy manan-tsiny ianao ary ho tia ny mihatsaravelatsihy ka makà fotoana ahafahanao manamarina ny tena zava-nisy. Misy ny olona miezaka mandoto sy manala baraka, mamorona tsaho hanoso-potaka ny toetranao, fa tsy mahafafa mandrakizay ny zavatra tsara nataonao…”, hoy Atoa Jean-Eric Rakotoarisoa. Na izany aza, isan’ny nanakianan’ny maro ity Filohan’ny HCC tamin’izany ity ilay hoe: “Azo raisina fa tsy mitombina” teo anatrehan’ny fitoriana maro. Tafiditra ao anatin’ny Andrim-panjakana miantsoroka ny fitoniana na “institution de stabilité” ny HCC, ka na lazaina aza fa araka ny lalàna ny didy, dia tsy azo lavina ny fifangaroany tamin’ny politika. Ny tohin’ireny rehetra ireny, dia izao tsy fahamarinan-toeran’ny Fitondrana Rajoelina izao mandrak’ankehitriny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.