Politique

Jean Eric Rakotoarisoa Nanome lesona ho an` ny loholona


  • Zoma 27 Novambra 2020

Tsy tokony ho sakana ny fiatrehana fivoriana eo anivon` ny andrimpanjakana ny

 

 

olana ara-bola, hoy Jean Eric Rakotoarisoa, filohan` ny Antenimierandoholona. Voadidin` ny lalàmpanorenana rahateo ny tsy maintsy hanaovan` ny parlemantera fivoriana ara-potoana faharoa izay handaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2021. Napetraka mba hitondra sy filaminana rahateo ny andrim-panjakana fa tsy natao ho fialokalofan` ny mpanao politika fotsiny, hoy izy. “Fotoam-pivoriana eo anivon`ireo parlemantera. Izany no anton`ny nandaniana azy sy nofidiana azy. Samy manao ny asany. Samy misy olana ara-bola anie ny Antenimiera roa saingy tsy izany no atao sakana. Izahay koa nanana ny fahasahirananay ohatra tamin` ny fifidianana filoham-pirenena. Tara ny tetibola vao navoaka saingy izahay tsy niteny hoe tsy hanao fifidianana satria tsy tonga ny volanay. Mila jerena ny raharaham-pirenena fa tsy zavatra hafa. Izahay tsy manao “chantage”. Misy adidy napetraka aminao dia tanterahinao”. Araka izany dia nitondra lesona ho an` ny Antenimierandoholona ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Saingy kosa tsara toerana ve ity fitsarana ity hitsara ny hafa? “Azo raisina fa tsy mitombina”, teny nampalaza ny HCC nandritra ny fifidianana filoham-pirenena. Raha ny zava-misy amin` izao dia niala amin`ny maha mpitsara azy ny HCC fa mipetraka ho mpandray fanapahan-kevitra politika fotsiny ary miharihary izany. Tsy mitsara fa tsy manapaka amin`ny alalan`ny endriky ny fanapahan`ny governemanta ka mamotika ny endriky ny hasin`ny demokrasia sy firaisam-pirenena.

 

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT