Politique

Jean Eic Rakotoarisoa Nanakiana an-kolaka ny fitondana Rajoelina


  • Alarobia 06 Aprily 2022

Namoaka fanehoan-kevitra misy teboka miisa 3 ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana teo aloha Atoa Jean Eric Rakotoarisoa omaly, tao amin’ny tambazotran-tseraserany.

 Tamin’ny teny vahiny no nanaovany azy io, izay raha adika malalaka amin’ny teny Malagasy dia tahaka izao : «Amin’ny Repoblika iray raha mendrika amin’izay anarana maha repoblika izay, ny fandraisana mpiasam-panjakana dia atao miainga amin’ny fahaizana fa tsy hifandovana ; Ny karaman’ny mpiasam-panjakana, ireo vondrom-bahoaka eny ifotony ary ny sampan-draharaham-panjakana dia aloa ara-potoana fa tsy tokony hisy fahatarana ; Ny famorian-ketra sy haba dia anatin’ny fahefan’ny Fanjakana sy mariky ny fiandrianam-pirenena (Pouvoirs Régaliens) ka tsy azo homena ny sehatra tsy miankina velively». Na tsy voafaritra mazava aza ny tena iantefany, dia mazava be fa miantefa amin’ny fitondram-panjakana tarihin’ny Filoha Rajoelina. Ny fandraisana mpiasam-panjakana tsy ny fahaiza-manao intsony no mitondra azy fa ny kiantranoantrano sy ny kihavanavana, hany ka manimba sy mamotika ny raharaham-panjakana, izay miseho amin’ny endriny maro. Tsy takona hafenina ihany koa ny fitakiana amin’ny endriny maro, ny fitarazohan’ny fahazoan’ny mpiasam-panjakana samihafa ny karama sy ny tambin-karamany, izay maro no miditra amin’ny grevy sy fitokonana vao taitra ny Fitondrana. Ahitana anio ny tontolon’ny fampianarana, fitsaboana, orinasam-panjakana,… Fa ny tena zava-doza dia ny resaka fakana sy fikirakirana ny haba sy hetra izay volam-bahoaka. Adihevitra goavana ilay raharaha fananganana ny orinasa SMGD (Société Municipale de Géstion Digitale) izay natsangan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra tarihin’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina, haka sy hitantana ny haba sy hetra avy amin’ny tsena, fiantsonan’ny fiara, fitaterana,… Nahatezitra ny mpiasam-panjakana miantsoroka ny fanangonana haba sy hetra eo anivon’ny Kaominina io, ary ny mpiasa tsy miankina indray no voalaza fa mibaikobaiko azy ireo, hany ka niteraka fitakiana ny fanafoanana ny SMGD. Ho an’ny SMGD ny 30% amin’ny volam-bahoaka avy hetra sy haba, izay noboriborian’ny ben’ny tanàna fa “sécurisation” ho an’ilay orinasa ny antony satria nisy fampiasam-bola tao, misy fitaovana nananganana azy,… Raha ampifandraisina amin’ny fanehoan-kevitr’Atoa Jean Eric Rakotoarisoa anefa, fanimbazimbana tanteraka ny fiandrianam-panjakana ity fanomezam-pahefana ny tsy miankina haka ny haba sy ny hetram-bahoaka ity. “Tena sady tsy azo raisina sady tsy mitombina izany io”, raha raisina amin’izay. Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT