Nisy fomba fijery miisa 2 niavaka tsara ny fanazavana ny raharaha 29 martsa 1947, hoy ny mpampianatra mpikaroka momban’ny Haiolona politika na “Anthropologie politique”, Jean Edouard Rajaonarison.
Ny voalohany dia ny fanazavan’ny fitondran-janatany sy fitondram-panjakana izay maneho fa hetsiky ny tia tanindrazana, hono, io daty io. ny Otrikafo izay antoko politika tia tanindrazana tsy miankin-doha amin’ny any ivelany kosa dia maneho fa tsy hetsiky ny tia tanindrazana izany ny 29 martsa fa fomba nentina namotehana ny afom-pitiavan-tanindrazana teo amin’ny Malagasy. Ny fiandohan’ny volana aprily, ny 2,3,4 aprily tany ho any, dia niomana hanao kaongresy ny MDRM. Natahotra ny fitondran-janatany satria talohan’izay dia efa nahoraka ny hoe mitaky ny famerenana indray ny fahaleovantenany amin’ny alalan’ny MDRM ny Malagasy ka raha vita ve izany kaongresy izany tsy ho vao mainka ho ratsy ny tantara? Io no antony nanapoahan’ny fitondran-janatany ny 29 martsa 1947. Nanomboka teo dia tetiharana botom-bazaha hatrany no nitondra ny firenena. Tsy misy taranaky ny “mouvement démocratique pour la rénovation malgache” na MDRM fa taranaka PADESM nivadika PSD daholo. Tsy misy taranaka MDRM, hoy hatrany ity mpampianatra mpikaroka ity, na ireo mpitondra ankehitriny aza.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.