Isan’ireo mpanao gazety zokiolona nosalorana ny mari-boninahitra “Grand officier de l’ordre national” ny 19 oktobra teo ny mpanao gazety, Jaonarison Norbert.
Ny lafiny tekinika no tena nampiaiky taminy teo amin’ny tontolon’ny fanaovan-gazety Malagasy ary efa nantsoin’ny firenena hiara-kiasa taminy noho izay fahaizany izay tao amin’ny NASA na ny toby amerikanina fitsirihana satelita (TTF: Station americaine de detection satellite) ny taona 1965 – 1975. Isan’ireo mpiasa voalohany tao teny Imeritsiatosika ary mpiasa farany ihany koa nandritry ny 10 taona nisian’ny NASA teto aho, hoy izy. Nakaton’ny fitondram-panjakana tamin’izany moa ny toby nony niditra tamin’ny rivotra sosialista isika satria ny amerikanina kapitalista. Niasa tao amin’ny TVM ankehitriny izay RTM tamin’izany indray aho, hoy hatrany izy, ny taona 1975 – 1983. Betsaka ny nolalovana hatramin’ny naha retirety ny taona 2003. Efa soundman ny Radio Freedom an’ny antoko politika ANC tarihin’ny filoha afrikanina tatsimo fony izy mbola mpitolona amin’ny Apartheid, Nelson Mandela, ny taona 1978-1986 ary teo anivon’ny radiom-pirenena hatrany taorian’izay. Sedra isan’ny nolalovana, ohatra, ny fanadihadiana mikasika ny nahafaty an’Itompokolahy Joel Rakotomalala tany Antanifotsy. Angidimby nianjera moa tamin’izay no antony ary nisy ny fanadihadiana lalina nataonay saingy nony tonga taty amin’ny radio dia tonga ny baiko avy tamin’ny fanjakana hoe tapaho io. Tsy voatantara ny zava-nisy noho ny sivana. Tsy nisy ny fahalalahana ary solontenan’ny minisitera n any minisitra mihitsy tamin’izany no nihaino ny fanapahana ny feo na “montage”. Raha tsy diso aho, hoy izy, ny taona 1989 no nilaza tany Mahajanga ny filoha Ratsiraka fa nifarana ny sivana ary omena fahalalahana ny fanaovan-gazety saingy taorian’izay dia hita ihany fa mitoetra hatrany ny tahotr’ireo mpanao gazety manomboka hatramin’ny tonian-dahatsora satria efa lasa nandeha ho azy ny “autocensure”. Mbola hita io endrika tsy fahalalahana io mandrak’ankehitriny ary mbola misy ny “autocensure” eo amin’ny mpanao gazety, indrindra, fa fanjakana. Raha tiantsika anefa ny handroso dia mila mahazaka kiana ny mpitondra. Hita izany amin’ny firenena mandroso, hoy hatrany ity mpikamban’ny klioban’ny mpanao gazety zokiolona na CJD ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.