Politique

Jaona Ralison Fitoniana aloha, izay vao fifidianana


  • Alakamisy 23 Desambra 2010

Nitondra fanazavana misimisy kokoa tao amin’ny onjampeo tsy miankina iray, omaly antoandro, momba ny raharaham-pirenena sy ny zava-misy marina eo anivon’ny antoko Tiako i Madagasikara Atoa Andrianarivo Jaona Ralison, izay anisan’ireo mpanao politika ao anatin’ity antoko teo amin’ny fitondrana teo aloha ity nanaiky ny hiditra ao amin’ireo rafitra tetezamita misy amin’izao fotoana.

Mpikambana ao amin’ny CST moa ny tenany no sady filohan’ny vaomieran’ny fampihavanam-pirenena ao amin’izany andrim-panjakana izany. Nambarany ary fa tokony halamina daholo aloha ny zava-drehetra izay vao miroso amin’ny fikarakarana izany fanatanterahana ny fifidianana izany. Tsy sanatria mandà ny hanaovana fifidianana eto ny TIM, hoy izy fa mahita kosa fa tsy mety raha aroso ny fifidianana, kanefa tsy mbola tony ny tontolo politika sy sosialy. Anisan’ny soso-kevitra narosony ny tokony hametrahana sy hampahafantarana mazava ny lalàna mifehy ny fifidianana hampiasaina eto, fa tsy hoe ny vaomiera mahaleotena mikarakara ny fifidianana ihany no mahafantatra izany. Eo koa ny tsy maintsy hamolavolana sy hametrahana ny lalàna mifehy ny antoko politika mba hialana amin’ny fampandriana adrisa ataon’ireo kandida isanisany rehefa raikitra ny fampielezan-kevitra.

Ary ny tena zava-dehibe dia ny fikarakarana amin’ny fahamatorana tsara ny lisi-pifidianana izay niaraha-nahita fa tena kitoatoa tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka farany teo. Araka ny nambaran’ity mpanolotsaim-paritra Analamanga izay lasa mpikambana ao amin’ny CST ity dia tanjona ny hanatanterahana fifidianan madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra, tsy tokony hisy eto intsony, hoy izy ny voka-pifidianana hiharan’ny fanakianana sy tsy eken’ny etamazaoro politika sasany, tahaka ny nisy hatrizay. Tsy misy olana mihitsy hanaovana fifidianana raha feno sy tomombana ireo fepetra ireo, araka ny nambarany, saingy raha sanatria kosa ka tsy tafapetraka ny fitoniana dia krizy vaovao indray no ho teraka eto amin’ny firenena ka izay vao tena ho sahirana isika. Raha mikasika ny raharahan’ny Tiako i Madagasikara na TIM manokana kosa indray dia nanambara Atoa Andrianarivo Jaona Ralison fa iray ihany ny antoko TIM misy eto Madagasikara raha ny ara-panjakana no resahana.

Niaiky kosa anefa izy fa nozarazarain’ny hevitra tsy mitovy ireo mpitarika sy mpikambana ao amin’ity antoko ity. Misy, hoy izy, ireo somary mahery fihetsika ka tsy matahotra ny hisian’ny gidragidra, eo koa ireo tsy mahafantatra afa tsy ny fifanarahan’ny ankolafy efatra eo ambany fiahian’ny sehatra iraisam-pirenena, ary misy kosa ireo nahita fa tsy nahomby ireo dinika rehetra natao niaraka tamin’ny mpanelanelana iraisam-pirenena hatramin’izay ka aleo ny samy Malagasy no hifampidinika sy hifandamina ary hiara-mikaroka ny marimaritra iraisana hahatongavana any amin’ny fiverenan’ny ara-dalàna, ka nanaiky ny hiditra tao amin’ny rafitra tetezamita. Mikasika ny fanelanelanana ataon’ny SADC moa dia nambarany fa tsy olana mihitsy raha toa ka hanatevina ny dingana efa vitan’ny Malagasy izy ireo, tsy mety kosa anefa hoy izy raha toa ka sori-dalana vaovao hafa mihitsy no teren’ny vahiny hampiharina eto Madagasikara.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT