Efa nanomboka tany amin’ny fanatanterahana ny tondrozotra no nisy ny tsy fitoviam-pijery tamin’ny fandikana izay voasoratra tao, hoy ny solombavambahoakan’i Madagasikara lany tao Atsimondrano Randriarimalala Jaona na Jaona Elite.
Izay no nahatonga ny tsy fahombiazana teo amin’ireo ankolafin-kery niara-nitantana tao. Ankehitriny dia tadiavina mbola hapetraka io fomba fijery mifanohitra amin’ny asa fampandrosoana io. Ohatra iray goavana amin’izany ny fandikana vilana ny andininy faha-54 ao amin’ny Lalàmpanorenana mikasika ny fanendrena ny praiminisitra. Na tiana na tsy tiana anefa dia iray ihany na ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery na ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina satria samy tao anatin’ny fitondrana tetezamita. Efa mazava ny voalaza ao amin’ny Lalàna fototra fa rafitra fitantanana manome vahana ny fahefana mpanao lalàna ny fanendrena sy fanaraha-maso ny fahefana mpanatanteraka ka tokony hohajaina, hoy i Jaona Elite. Kely finoana ihany koa ny tenany amin’ny resaka mandeha fa handrava ny Antenimieram-pirenena ny filoha vaovao satria samy voafidim-bahoaka izy ireo no mitovy zo. Eny amin’ny rafitra mpanao lalàna no tena hiainga ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Miankina betsaka amin’ny firaisankinan’ireo solombavambahoaka mandrafitra ny vondrona parlemantera anefa no mampisongadina ny tanjaka takiana aminy mba hivadika ho asa mivaingana, hoy ny fanampim-panazavany izay hita soritra tsara ao amin’ny «Groupe Parlementaire spécial» na ny GPS, hoy ny tenany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.