Politique

James Ratsima sy Arlette Ramaroson « Fa hoentin-dRajoeliana mankaiza ity firenena ity e ? »


  • Alarobia 27 Janoary 2021

Be loatra ny zava-mitranga eto amin’ny firenena ka tsy zakan’ireo mpikambana

 

 

 

 

eo anivon’ny Vomieran’ny Nosy toy an-dRatsima James sy Arlette Ramaroson izay mpahay lalana iraisam-pirenena intsony. Ho entin-dRajoelina aiza ity firenena ity hoy James Ratsima raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy omaly tetsy Anosy. Nambarany tamin’izany fa mody ilay volamena 73 kg tratra no resahina amin’ny vahoaka fa ilay 200 kg efa voandrana tamin’ny andron’ny tetezamita mody tsy resahina mihitsy. Vola be, hoy izy no azon’ity fanjakana mijoro ity tamin’izany ary tsy fantatra izay nanaovany azy. Ny vahoaka Malagasy anefa hoy izy tena vavatakiky tanteraka. Ny vidim-panafody miakatra, ny vary efa hahatratra 900 Ar ny iray kapoaka, mitombo hatrany ny tsy an’asa, izay fananana tokony holovain’ny taranaka eto Madagasikara indray mbola tapitra zarazaraina amin’ireo vahiny. Tena tsy rariny intsony ny zava-misy eto amin’ny firenena hoy hatrany Atoa James Ratsima ka tokony samy ho tonga saina ny maro. Mikasika ilay volamena 73 kg manokana moa dia nomarihiny fa tafiditra ao anatin’io avokoa ny Ray aman-dRenin’ireo mpitondra mivady ankehitriny, tranga izay tena mampalahelo sy mahamenatra tokoa nefa olona tokony ho maodely. Miantso ny CIA araka izany izy mianadahy mianaka ireto mba hijery akaiky ireo resaka volamena naondrana an-tsokosoko ireo. Tsy tokony havotsotra ihany koa hoy Arlette Ramaroson ireo olona efa tratra satria any amin’ireo no tsiambaratelon’ity raharaha ity ary tena ilaina izy ireny. Miandry izay mety ho tohin’ny raharaha araka izany izy ireo raha amin’ny fiandohan’ny volana Febroary ho avy izao kosa no hanatanterahana ny fitsarana raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany.

 Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT