Politique

James Ratsima “Fantatro ilay zandary nanome baiko sy nitifitra”


  • Talata 16 Martsa 2021

Misy dikany izahay matoa mbola mitaky ireo nosy Malagasy hatramin’izao, hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana Harenantsika ireo nosy ireo.

 

 

 

 Harena mihoam-pampana no ao, hoy ny Pr James Ratsima. Hisy ny fikaonan-doha ho tanterahana ao amin’ny Akademia Malagasy mikasika izany. Azo hananganana ny lalana rehetra sy fotodrafitrasa misy eto Madagasikara io nosy io. Azo hananganana sekoly, izay fototra, satria ny tanora no hoavin’ny firenena. Azo hananganana EPP isaky ny fokontany, lisea isaky ny kaominina, oniversite isaky ny distrika, azo hananganana zavatra maro io. Raha tokony hanao izany anefa ny fitondram-panjakana dia ny mitifitra ny mpianatra no ataony amin’izao fotoana izao. Fantatro ny marina. Fantatro ilay zandary nanome baiko sy nitifitra. Miandry azy ireo hiteny aho fa rehefa tsy hiteny izy dia tsy maintsy hivoaka izany, hoy hatrany ny Pr Ratsima.

 

J. Mirija

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT