Politique

Iza no misaina fampandrosoana ?


  • Zoma 22 Janoary 2021

Iza izany izao sisa no mbola mba misaina fampandrosoana eto amin’ity firenena ity? 12 taona izay.

 

 

 

 Fifanandrinana politika eo amina firehana miisa 2 no tena nibahana ny tontolo politika teto Madagasikara. Teo an-tsefatsefan’izay rehetra izay anefa dia tsy nisy tranga nisongadina ankoatry ny fitotonganan’ny fiainam-pirenena. Nandeha ny tetezamita nanomboka ny taona 2009 hatramin’ny 2013. Fiaraha-mitantana no tena nifampitadiavana. Tontosa iny saingy tsy nety nivaha ny krizy. Samy nanana ny kandidany indray ireo mpifanandrina politika miisa 2 nibahana izay 12 taona izay ireo nandritry ny fifidianana filoham-pirenena 2013 rehefa tsy navelan’ny sehatra iraisampirenena, mba tsy hilazana hoe “mpanao ampihimamba iraisam-pirenena” hisy hilatsaka. Lany ny kandida notohanan’ilay nosokajian’izy ireo ho mpanongam-panjakana ary niaraha-nahita ny zava-nisy fa tsy tena nisy fampandrosoam-pirenena tena nivaingana fa famahana ny krizy sy fampandehanan-draharaham-panjakana ankapobeny hatrany no azo nanakonana ny tsy fahafaha-mihetsika. 2 taona sy andro vitsivitsy indray izao no nahazoan’ilay efa avy nosokajian’ilay dradradradraina ho fianakaviambe iraisampirenena ho “mpanongam-panjakana” ny fahefana izay nambaran’izy ireo fa tamin’ny fomba demokratika sy ara-dalana. Vokany, faharoa amin’ny firenena ambaran’izy ireo fa mahantra indrindra isika. Ilay fitondram-panjakana mijoro eto koa mahagaga fa milaza ho mizotra amin’ny fahombiazana hatrany na dia efa mampikaikaika ny vahoakany avokoa aza ny zava-misy rehetra. Toekarena, fanabeazana, kolontsaina sy ny maro hafa, indrindra, ny sosialy, samy marary ! Vao miha marary avo roa heny fara fahakeliny noho ny tany aloha rehetra tany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT