Politique

Ireo minisitra mety hiongotra


  • Alakamisy 10 Martsa 2022

Iza avy ary ireo minisitra vitsy hoesorina? Azo antoka aloha izany fa misy ny tsy maintsy haIsan’ny tototry ny kiana tamin’ny tsy raharaha valizy misy kodiarana (valise à roulettes) sy ny solosaina enti-tànana ny Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro Tinoka Roberto,

ary voakiana mafy ho tsy mahafehy ny asany ka isan’ireo hoesorina ka hangorona ny valiziny handao ny minisitera ve? Matetika tratry ny resabe sy kiana samihafa hatry ny ela ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Andriatongarivo ka na ny mpomba ny fitondrana aza misy tsy faly aminy ka hanao ahoana ny hoaviny? Ity Minisitra ity izay efa naneho fa tsy mibodo toerana saingy mbola vonona ny hanohy.Voatondro ho isan’ny manaratsy endrika ny Fanjakana kanefa atahorana hamoaka dosie toy ny efa nataony tamin’ny 2012 nilaza fa tena namatsy vola ny fokomiana ara-miaramila tao amina toby iray malaza i Andry Rajoelina. Tsikaritra ho somary tsy dia hita firy izy nandritra ny fanamarihana andron’ny 8 martsa tany Antsirabe ny talata teo kanefa minisitra ny mpiahy ny faritra Vakinankaratra ka fifandrifian-javatra ihany ve? Hanao ahoana ny momba ny Minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina voatsikera noho ny teny ratsy sy teny mamoafady? Ity minisitra ity, izay nisy nanaparitaka ny horonam-peo momba ny zavatra mamoafady nataony, ary raha ny diplaomasia Malagasy iandraketany dia tsy tena hita ho misy vokatra misongadina. Mety ho voakitika ve ny Minisitry ny fahasalamana Pr Zely Arivelo Randriamanantany notononon’ny fampahalalam-baovao iray ho ahiana amina kolikoly 7 miliara? Hahasahy hikika ny Minisitra Hajo Andrianainarivelo izay sahy nitandroka nivantana na ankolaka ny Fanjakana sy antokony ve ny Filoha? Nisy fotoana niteraka resabe ihany koa ny Minisitra lefitra misahana ny fandrakofana ala Rtoa Haingosoa Hortencia Antoinesie teo anatrehan’ilay raharaha tsy fifankahazoana ka nampibaribariana am-batolampy tamin’ny tambajotran-tserasera ny ady an-tranon’ny Minisiteran’ny tontolo iainana,… Samy miandry izay ho endriky ny fanovana ny rehetra, ary vinavina niainga tamin’ny zava-misy ihany ireto, fa ny Filoha sy ny Praiminisitra moa no tompon’ny teny farany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT