Politique

Iraky ny SADC Hihaino ireo mpanao politika


  • Alatsinainy 29 Novambra 2010

Mandia ny andro fahefatra amin’ity anio alatsinainy 29 novambra ity ny iraka tarihin’ny Dr Leonardo Simao avy amin’ny SADC.

Manomboka eto no hihaonan’izy ireo amin’ireo mpanao politika sy ankolafy samihafa, hihainoan’izy ireo ny fomba fahitany ny raharaha eto Madagasikara, taorian’ny nandalovan’ny iraka farany teto ny volana aogositra 2010, nisian’ny fampihaonana santatra ny mpanao politika teny Vontovorona nokarakarain’ny CNOSC. Ny faran’ny herinandro teo dia nifandimby nihaona tamin’ity iraky ny SADC ity ny CNOSC andaniny, izay mbola andrasan’ny maro ny fampihaonana an-databatra boribory indray ireo mpanao politika malagasy hiara-kikaroka vahaolana hahafahana mamarana tanteraka ny krizy eto Madagasikara.

Ankilany dia nihaona tamin’ireo masoivohon’ny firenena vahiny manana fifandraisana amin’i Madagasikara, izay raha fehezina dia nihaona tamin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Tsy dia nisy nipika ny votoatin’ny dinika tamin’io fa raha ny resaka fohy nifanaovan’ny mpanao gazety tamin’ny Dr Simao dia nambaran’ity farany fa ny fifidianana ihany no vahaolana hamaranana ny krizy. Notsipihiny mazava anefa fa tsy maintsy fifidianana tenierana ary eken’ny rehetra ary andraisan’ny besinimaro anjara izany. Dia andrasana moa izay ho fivoaran’ny dinika sy ny fihaonana hataon’ity iraka ity, satria dia tsy mipetra-potsiny ihany koa ny FAT. Rahampitso izao, raha ny CENI, dia manana fandaharam-potoana hamoaka ny vokatra farany eo am-pelatanan’izy ireo mikasika ny referandaoma natao ny 17 novambra 2010. 

Jean D.
 
Sary : Dr Leonardo Simao, mitarika ny iraky ny SADC eto Madagasikara

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT