Politique

Iraky ny SADC Handray ireo gadran’ny BANI


  • Alatsinainy 10 Janoary 2011

Higadona anio eto Madagasikara indray ny iraky ny SADC, tarihin’ny Dr Leonardo Simao, manao ny fanelanelanana hivoahana amin’ny krizy izay efa nitarazoka 21 volana izao.

Ity no iraka voalohany hataon’izy ireo amin’ity taona 2011, saingy tohin’ny asa fanelanelana efa natomboka tamin’iny 2010 iny. Ho fenofeno ihany ny fandaharam-potoanan’izy ireo amin’izao diany izao. Eo aloha ny fiandrasany ireo volavola soridalana avy amin’ny ankolafy isanisany avy, amin’izay heverin’izy ireo fa hivoahana amin’ny krizy sy ny mba tsy hiverimberenan’izany intsony. Mikasika izay indrindra dia fihaonana tetsy fihaonana teroa ny an’ny etamazaoro politika. Fa isan’ny nanova zavatra betsaka teo amin’ity raharaha ity koa ampamoaka nataon’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina tamin’ny herinandro lasa iny.

Araka ny fantatra àry izao, dia isan’ireo tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ity iraky ny SADC ho avy anio ity ny hihaona amin’ireo manamboninahitra voasaringotra tamin’iny raharaha BANI iny. Raha tsy misy ny fiovana dia ry zareo any Guantamo (Tsiafahy) mihitsy no ho entina hiakatra eto an-drenivohitra hihaona sy hifampidinika amin’ireto mpanelanelana vahiny ireto. Ireto farany izay tsy haharitra ela eto fa amin’ity herinandro ity ihany dia handao an’i Madagasikara, hitondra ireo soson-kevitra voarain’izy ireo any amin’ny mpaniraka tarihin-dry Joaquim Chissano, handrafetana ny soridalana raikitra heverina fa iraisan’ny rehetra. 

Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT