Politique

Iraka 56 hamaha olana any Toliara Tena tsy misy mahavita azy mihitsy ve any ?


  • Talata 02 Martsa 2021

Raharaha iray lasa iompanana adihevitra tsy hifankahitana ny momba ny fandaminan-draharaha any Toliara,

 

 

 

 

 taorian’ny sakoroka goavana ny faran’ny herinandro teo. Delegasionina mahatratra 56 avy amin’ny Fitondram-panjakana no nigadona tany an-toerana notarihin’ny iraky ny Filoham-pirenena amin’ny alalan’ny Talen'ny serasera eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika Rtoa Rinah Rakotomanga sy ny solotenan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, teknisiana 45 handrafitra ny lisitry ny mpianatra tena izy. Natomboka omaly 01 martsa ny fandraketana ireo mpianatra anaty antontan-kevitra manaraka ny teknolojia na “digitalisation” mba hisorohana ny olana amin’ny fandoavana ny vatsim-pianarana, araka ny fampanantenana natao. Hisy fanavaozana izay ho entina hanavaozana ny lisitry ny mpianatra. Vinavinaina ho vita ao anatin’ny telo andro ny asa fanatanterahana an’ilay lisitra ary hiroso avy hatrany amin’ny fandoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra, araka ny tatitra. Voalaza fa nandeha fiaramanidina ireo delegasionina mafonja, izay midika fa nandaniana volabe tsy toko tsy forohana. Tena tsy manana olona mahavita azy ve ny ao Toliara hanao ny asa nandamin-draharaha sy ny asa hafa, fa tsy maintsy nitondrana delegasiniona 50 mahery? Tsy misy fitsinjaram-pahefana sy fitsinjaran’andraikitra mihitsy ve fa tsy maintsy hiandrasana manam-pahefana avy aty ambony vao afaka mamaha olana sy mahavita zavatra? Tsikaritra ihany koa ny fitanilana eo amin’ny fandraisana andraikitra sy famahana olana. Ny tany Toamasina izay nisy aina nafoy mihitsy, saingy tsy dia naharenesana mihitsy hoe misy iraka roa na telo tonga nizaha ifotony, nitondra vahaolana,… fa ny fanadiovan-tenan’ny mpitondra sy fifanomezan-tsiny no betsaka. Satria nahazoana isam-bato ambony tamin’ny fifidianana i Toliara ka tsy maintsy alamina haingana ve? Sa kosa ny iray misy mpiahy fa ny iray tsy misy ?

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT