Politique

Institut Pasteur de Madagascar Horoahin’ny fanjakana Malagasy ?


  • Talata 19 Mey 2020

Mampiavaka ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny hoe hanangana zavatra goavana, ary efa maro ireo noresahina, toy ilay famokarana ethanol any Ambilobe, ny orinasa goavana famokarana simenitra,..

 

 

. ary ankehitriny dia milaza hanangana orinasa goavana mpamokatra fanafody sy laboratoara hanaovana fitiliana, ankoatra ilay “centre de cancerologie” goavana izay hitsaboana ny homamiadana. Tsy ratsy izany, saingy tsy azo atao tefy maika sy hoentina amin’ny kitaitaitra. Olantsika ilay zavatra ankamehana, ka tampotampoka eo anatrehan’ny zava-miseho dia hoe hanao an’izao sy izao isika kanefa ny nambara teo aloha aza tsy mbola misy tanteraka. Resaka ara-pahasalamana ny laboaratoara resahina eto. Mbola namelively an’io Laboratoaran’ny Institut Pasteur de Madagascar na ny IPM an’ny Frantsay izay efa tena ela teto Madagasikara anefa ny Filoha, ary hanangana ny an’ny Malagasy. Matoa aloha manao ny fanjakana Malagasy dia zava-dehibe ary hirariana mba hahavita, saingy tena afaka ny hifaninana amin’io IPM io ve? Ny resaka coronavirus ihany sa izay fitsaboana misy ao amin’ny IPM dia hatao any amin’ilay hatsangana? Nilaza ny Filoha fa tsy azo ekena ny zava-nisy tao amin’ny IPM na inona na inona antony ka mety hiafara amin’ny fanesorana ity laboratoara Frantsay ity eto Madagasikara ve ny raharaha? Nisy ny resa-bola nataon’ny IPM fa 20 dolara na 80000Ar latsaka eo ny sandan’ny fitiliana coronavirus iray ka mety misy hidiran’ny resaka ara-bola ve ny raharaha ka ny tsenan’asa no kendrena? Raha niresaka momba ny hanamaroana ny fitiliana ny Filoha tany aloha, dia ny olon’ny IPM no nasaina nanofana, ka tena afaka hanana fahafehezana an’izany mitaha amin’ny olon’io Laboratoara milaza ho manana ny fenitra iraisam-pirenena ve ny antsika? Tena hahay noho ny olon’ny IPM ve ny olona hampiasaina? Tena mila fitandremana be sy fahaiza-manao, saingy mety efa manana ny paikadiny ny fanjakana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT