Noventesin’ny filoha ombieny ombieny hapetraka eto Madagasikara ny “Emergence”.
Hatramin` izao dia tsy mbola ahitàna mangirana mikasika izany. Mifototra amina tetikasa ity vinam-piarahamonina ity saingy hatreto dia tsy misy na tetikasa iray miompana amin’ilay resaka « Emergence » mba miainga sy mandeha fa toa ny tetikasan’ny HVM ihany ireny tohizana sy tokanana hisehosehoana etsy sy eroa ireny… Nijabaka tanteraka ny filoha Andry Rajoelina raha ny fahitàna azy, satria mandritra ny fitokanana ireny tetikasan’ny HVM ireny dia toy ny hoe ireny mihitsy ilay « Emergence » nambarany. Raha ireo manam-pahaizana namolavola ity programanasa ity dia fantatra fa tsy nisy nahazo toerana izy ireo amin` ny fampiharana izany fa saika ny ankamaroan’ny olon’ireo antoko politika miara- dia amin’ny filoha no mibahan- toerana kanefa olona tsy mahalala izay fandehany amin’ilay « Emergence » akory ! Marihana fa hafa ihany ny tetikasa iray raha ilay olona no tena namolavola azy , no nilofo sy efa nandany ron- doha nikononkonona azy no manatanteraka izany saingy toa raha ny zava-misy ankehitriny dia olona efa manomana ny fifidianana amin’ny 2023 no ametrahan’ny filoha fitokisana hanatanteraka ilay « emergence ». Etsy ankilany, nomena ireo antoko niara-dia ny « postes clés » kanefa giazan’ireo tsy handeha ilay « Emergence » ankehitriny… Tsy hisy antoko hafa, hanosika ny antoko mifaninana aminy izany mihitsy fa miara-dia kely indray mipalaka fotsiny ireny hahazoana toerana hahafahana manomana sahady ny ho avy, sy handrombahana fahefana avy eo… Izany no mahazo ny filoha Andry Rajoelina ankehitriny, nijabaka tamin’ny fahatokisana olona loatra dia voagejan’ireo manodidina nametrahany fitokisana sy nanilihany ny ekipa tsy mivadi- belirano aminy… Mbola tsy tara anefa raha izao vao tonga saina sy handray fanapahan- kevitra ny filoha e ! Aleo taraiky toy izay tsy nisy mihitsy… fa ity mamita sy mitokana tetikasan’olona ity kosa aloha tsy « Emergence » mihitsy !
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.