Politique

Indostria miisa 107 natsangan’ny filoha Mahaliana ny lisitra sy ny momba azy


  • Talata 16 Aogositra 2022

Didier Ratsiraka, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Mahery Lanto Manandafy, no nahavita indostria miisa 144 tamin’ny taona 80. Mihinana ny anganony mihitsy tamin’izany ny lesona T4, hoy izy.

Tsy maintsy atao tsianjery ireo 144 ireo. Tamin’ny andron’ny “elephant blanc” hatramin’izao, mbola tadidiko. Zeren, Hodima, Sojufa, Secren sy ny tohiny rehetra. Sazy na “punition” averina soratana im-polo raha vao diso. “Week end” iray manontolo manao “punition”. Tsy misy tavela intsony moa ireny, indrisy. Secren angamba sisa tsy nahazo karama 18 volana fa ilay Rajoelina, mba tsy hitako izany 107 izany. Aza matikambo! Efa andron’ny “internet” na aterineto izao, hoy hatrany ny tenany. Tsy ity mpandinika ity ihany fa na iza na iza mpanara-baovao dia heverina fa mahita hoe mahaliana ny lisitra sy ny momba ireo indostria voalaza ho miisa 107 natsangan’ny filoham-pirenena ankehitriny. Ekena tokoa fa isany notanisaina tao anatin’izany, ohatra, ny ozinina mpamokatra siramamy, ny famokarana fanafody na Farmalagasy, mety ho isany koa ve ireny hoe fanodinana akoho ireny? Miandry!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT