Politique

Imerintsiatosika Misy olana indray ny tetikasa Tanamasoandro


  • Talata 07 Desambra 2021

Raikitra ny filanjana sora-baventy omaly tao Imerintsiatosika nentin’ny vahoaka manohitra ny fakana ny tanin’izy ireo hanaovana ny tetikasa Tanamasoandro.

Tsy manaiky ny hanome ny taniny hanatanterahana io tetikasan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina io ny mponina manana tany eny Tsimahabeomby Imerintsiatosika. « Izahay tsy manakana ary tsy manohitra fampandrosoana, indrindra ny fokonolona, fa kosa mangataka sy mitalaho amin’ny Filoha Andry Rajoelina mba aoka ny tanim-panjakana izay lehibebe ihany mba io aloha no ezahina ampiasaina, fa ny tanin’ny vahoaka, mba iveloman’ny vahoaka maro an’isa, io no entina mamelona sy mihary eny ambanivohitra eny,… », hoy ny solontenan’ny mponina. Nilaza izy ireo fa izy rehetra dia tsy manan-kifaharana afatsy ireo tanindrazana izay navelan’ireo razana an-jato taona, ka raha mba azo atao aoka ny taninay mba havela hiveloman’ireo taranaka fara aman-dimby. Nanamafy ireo mponina fa efa nisy ny fitarainana tamin’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany, saingy tsy nisy valiny hatreto. Efa nisy ny fitanana an-tsoratra tao anatin’ny fanadihadiana na « enquête commodo-incommodo » niraketana ny hevitr’izy ireo momba ny taniny, saingy mandeha ila ny zava-misy. Tsy misy mihaino, ary tsy misy mamaha ny olana. Ny olanay, dia hoe tany, fa ny azy ireo dia hoe: fampandrosoana, ka tsy mandàna ny fampandrosoana, fa aza alaina ny taninay, hoy ireo mponina raha vantanina ny resaka. “Izaho mamporisika mihitsy, ary miteny hoe adaladala raha manohitra fampandrosoana, fa kosa ny amin’izao fiainana efa sahirana izao, dia tsy mety kosa raha handeha hanilika olona amina tany 640ha izany. Tanim-panjakana malalaka be ao 340ha ka ahoana moa no andeha hidirana amina “processus” amina “expropriation” 640 ha”, hoy ny ben’ny tanàna Atoa Andriambolarivo Parisoa nanamafy. “Izay zavatra izay no hanairana ny tompon’andraikitra satria misy dingana efa mandeha any, ny vahoaka moa somary efa misarangotra ka izaho miteny amin’ny vahoaka hoe: maneho hevitra am-pahendrena sy tony isika, ary ataontsika tonga any amin’ny Filoham-pirenena ny hafatra, hoe ataovy hoe: ataovy aty ny fampandrosoana izahay tsy manakana, fa ao anatin’ilay 640 ha izay misy trano fonenana, tanimbary, tany fambolena,… izany kosa ho ahy manokana laviko marin-drano”, hoy ity olom-boafidy vao erotrerony ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT